airtel

Politique

18-déc-2024

LALATIANA RAVOLOLOMANANA

« Hosoka sy fividianana olona no nisy teto fa tsy fifidianana »

Sample post image

Nandritra ny fanomanana ny fifidianana dia efa nisy ny tsy fahatomombanana,

18-déc-2024

hoy ramatoa Lalatiana Ravololomanana, isany kandida mpanolontsaina tao amin’ny lisitra tsy miankina notarihan’Atoa Ndriana Razanamasy, nandritra ny tafa niarahany tamin’ny mpanao gazety omaly. Miendrika fividianana ny safidin’ny Malagasy amin’ny fomba ankolaka na mivantana ny firotsahana an-tsehatra nataon’ny filoha nizara vary, ny fizarana vola etsy sy eroa teto Antananarivo, famoahana ny volan’ny banky iraisam-pirenena mialohan’ny fifidianana, hoy ny fanazavana izay lasa kajy politika entina mampandany amin’ny fomba tsy manara-dalàna ny kandida mitonontena ho kandidan’ny fitondrana. Nomarihiny fa ny vahoaka malagasy dia tsy vahoaka misy tompony fa olom-pirenena manana ny maha izy azy, afaka mandray an-tanana ny fampandrosoana ny fiaraha-monina misy azy. Tsy olona baikona fa olona mitsangana mandray andraikitra satria resy lahatra fa tompon’ny tanàna fa tsy mpangatak’atiny. Efa nisintona lakilosy ny amin’ny tokony hanemorana izany moa izy ireo, raha ny firesany saingy tsy nahatapa-kevitra ny CENI. Ankoatra izay dia tsy mazava ihany koa raha ny fanazavan’ity mpanolontsainan’Antananarivo teo aloha ity ny nahafahana nanomena “ordonnance” ho an’ny olona nahatratra 35.000 be izao, izay tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana. Fifaninanana masiny ny fifidianana hoy izy saingy indrisy fa fifidianana tsy tomombana, feno tsy fanarahan-dalàna, feno hosoka no hita nandritra iny fifidianana lasa teo iny. Ny fifanandrinana eo amin’ny IRMAR sy ny TIM no tena tsy mampandroso an’Antananarivo hoy izy ireo. Efa hatrany am-piandohana moa no efa niteny ny tsy fanekeny ny hanaovana sorona an’Antananarivo renivohitra noho ny adilahy politika intsony ireto farany ka tsy hitazam-potsiny ireo zava-misy fa hiroso amin’ny fanaovana “requête” eny amin’ny « tribunal administratif ».
Lalaina RAV
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap