Any Dubaï indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina rehefa avy nanohy ny propagandy mandavan-taona tany Toliara sy Nosy Be. Mitarika ny delegasionina Malagasy amin’ny "Madagascar - Dubaï Business Forum" tanterahana anio 27 sy rahampitso 28 mey 2025 any Dubaï, Emirats Arabo Mitambatra. Sehatra iray nambara fa enti-manatanteraka ny vina ara-diplomasia miompana amin’ny fampandrosoana, hanomezana sehatra ara-toekarena. Natokana ho an’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro, ka mampivondrona ireo solontenam-panjakana, sehatra tsy miankina, ary ireo mpiara-miombon’antoka stratejika avy any Emirà sy avy eto an-toerana ny fihaonana, araka ny seraseram-panjakjana. Tanjona ny fananganana fifandraisana matotra sy maharitra eo amin’ny sehatry ny fampiasam-bola sy ny varotra, ho fanohanana ireo sehatra fototra manohana ny toekarena: Fanodinana sy fanomezana lanja ny vokatra ara-pambolena, Fampandrosoana ny angovo madio sy azo havaozina, Fampivoarana ny sehatry ny indostria. Ankoatra ny fivoriana ifanakalozan-kevitra sy fifampiraharahana eo amin’ireo mpandraharaha (B2B), hisy ihany koa fitsidihana indostria any Dubaï,… Efa faninefany amin’ny dia ofisialy io nakany Hatreto anefa, tsy tena hita izay tena vokatra, kanefa tsy vao sambany ny Fitondrana Rajoelina no nanao tahaka izao. Raha ny dia nakany Dubaï io tato anatin’ny 2 taona raha kely indrindra : COP 28 ny desambra 2023, world governements summit indroa niantaona ny febroary 2024 sy 2025. Hatreto anefa, tsy tena hita izay tena vokatra, fihetsiketsehana no betsaka, tsy arakaraka ny fandaniana volam-bahoaka ny tamberiny,…
ILAINA SAINGY…
Fanao ary zava-dehibe ny fifanakalozana sy fifanokafana varavarana amin’ny vahiny amin’ny lafiny toekerana izao, saingy ho an’ny mpitondra eto amintsika dia zary kisehoseho ivelany no betsaka, ny vola sy fotoana no tena lany any ivelany, fa ny vokatra tena tsy hita taratra amin’ny fiainam-bahoaka. Raha izay resaka nambara fa hitondran’ny Arabo fampandrosoana eto izay mety efa tsy nisy delestazy intsony, mety efa tahaka ny any Abu Dhabi na Dubai ny endriky ny tanàna vaovao any Imeritsiatosika. Ny mampanahy aza, dia ny bizin’ny mpitondra sy ny akamakamany aloha vao ny Firenena. Efa taona vitsivitsy izay no nilazana fa ny Arabo no hamatsy ny ozinina fanadiovana volamena eto ka asa izay niafarany ? Ny sidina Dubai-Antananarivo aloha no ireharehana fatratra fa ny kaompania Malagasy novonoina. Dia tahaka izany ihany koa ny toekerana hoe : ny mpandraharaha eto tsy tena homena sehatra sy tsinjovina, ary misy aza izay tsy lasibatry ny « redressement fiscal » mitsipozipozy amin’ny delestazy mandavan-taona,… Ilaina ny fiantsoana sy fisontonana vahiny hampiakatra ny IDE (Investissement Direct Etranger) fa mila jerena sy havotana ihany koa aloha ny ato anatiny, raha tena manana ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena na « patriotisme économique » marina !
Toky R
Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo
Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny
Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy