airtel

Politique

25-avril-2024

Laza Razafiarison

«Efa maty tanteraka ny rafitra eto Madagasikara»

Sample post image

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

25-avril-2024

ny volana may izao noho ny rafitra efa maty, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR-Tolona, Laza Razafiarison. Ny fanovana rafitra miainga any amin’ny fotony ihany no hitondra fitoniana sy fampandrosoana eto amin’ny firenena, hoy izy. Miakazakazaka hiatrika fifidianana avokoa ireo mpanao politika eto Madagasikara saingy tsy tokony any no maha maika. Efa maty tanteraka ny rafitra eto Madagasikara. Isan’ny fotokevitra hijoroan’ny antoko RCR izany ka mbola hijoroany hatrany ny fanovana rafitra miainga any ifotony. Tsy hitondra fanovana ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoka ny 29 may 2024 hoavy izao. Raha ny rafitra parlemantera manokana dia mbola misy ny tsindry any ambadika izay hita taratra tamin’ny nahazo ny filohan’ireo andrim-panjakana miisa 2 teto Madagasikara farany teo. Tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny andraikitr’ireo solombavambahoka malagasy izay lasa tsy mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka ary tsy mahavita tena manolotra lalàna hisy fiatraikany amin’ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap