hanaovan’ny Filoha nambaran’ny HCC fa lany, noraisin’ny Fitondrana ny didim-panjakana manendry ny Jeneraly misotro ronono Ranjeva Razanakombana Marcel ho Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena Malagasy, araka ny fanapahana noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 6 desambatra 2023. Izy izany no handimby an-dRtoa Madeleine Ramaholimihaso, nitana io andraikitra io nanomboka ny 18 janoary 2019, taorian'ny nahafatesan'i Étienne Ralitera ny taona 2017. Eo amin’ny faha-79 taona Atoa Marcel Ranjeva izao voatendry ho Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena Malagasy izao. Jeneraly misotro ronono teo anivon’ny Tafika Malagasy, Général de corps d'armée Ranjeva Marcel. Efa nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena izy. Ministry ny Fiarovam-pirenena (1996-2002) tamin’ny fitondran'i Amiraly Didier Ratsiraka. Minisitry ny Raharaham-bahiny (2002-2009) tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana. Izy mazava ho azy no hampisalotra ny samboady mandritra ny lanonana ara-pitsarana hanaovan'ny filoham-pirenena fihanianana ny 16 desambra 2023 eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Betsaka no nitondra fanamarihana avy hatrany fa misy dikany ara-politika sy ara-diplaomatika ny fanendrena, fa tsy nandehandeha ho azy. Tsara ny manamarika, fa isan’ireo manamboninahitra nivoaka tao amin’ny Saint-Cyr any Frantsa ity manamboninahitra misotro ronono ity, voafidy ho « Président de la section malgache de la Légion d'honneur française » ny taona 2021,… Rahalahin’ny Profesora Raymond Ranjeva izay isan’ireo mpikambana anatin’ny Vovonana PAN-FFKM ihany koa ny Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena vaovao io. Iry voalohany izay naneho hatrany am-boalohany ny tsy fetezana samihafa mikasika ny fifidianana, toy ny filazana fa tsy manaraka ny lalàmpanorenana ny HCC, ary fototry ny olana sy savorovoro, ny fanapahan-kevitra raisin’ny governemanta momba ny fifidianana dia tsy ara-dalàna,… Ny Pr Ranjeva Raymond sy ny zavanany vavy izay tsiahivina fa isan’ny nohenjehin’ny Fitondrana tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina.
Toky R
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,