airtel

Politique

23-janv-2024

Lolohona

Nanao fanambaram-panana teny amin’ny HCC

Sample post image

Tonga teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana Ambohidahy omaly

23-janv-2024

alatsinainy 22 janoary 2024 ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard notronin’ireo Loholon’i Madagasikara, nanatitra ny fanambaram-pananany amin’ny maha Filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany, araka ny fampahafantarana nataon’io andrim-panjakana io. Izany moa no natao dia ho fanajana ny voalazan’ny ao amin’ny andininy faha 41-n’ny Lalàmpanorenana. Nandritra io no nilazan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka tokony samy hanaja ny lalàna ny olon-drehetra ary miantomboka amin'ireo tompon'andraikim-panjakàna isan-tokony izany. Na izany aza, hatreto dia dosie mipetraka eny amin’ny HCC fotsiny ihany ny fanambaram-pananan’ireo mpitondra ambony, ka rehefa misy raharaha mety hahakasika azy vao mety hojerena. Tsy mandeha tsy voizina ny fitsarana eo anatrehan’ny tokony hisian’ny fanadihadiana hoe : raha ireo ny fananana nambara tao anatin’ny fananana ny fahefana dia nanao ahoana rehefa niala teo ? Tena tao anatin’ny ara-dalàna ve ny fitomboan’ny haren’ny manam-pahefana iray sa nisy ny kolikoly na fanaparam-pahafena ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap