eto amin’ity firenena ity ankehitriny, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena, Lova Andriamparany, indrindra moa fa hoe mila solontena avy amin’ny prefektiora hanatrika ny fivorian’ny mpanohitra. Inona intsony moa no maha fivorian’ny mpanohitra an’izany, hoy izy? Demokrasia hafahafa be izany. Na ataontsika hoe any Korea avaratra sy Birmania na izay firenena hafa tsy manaja sy tsy misy demokrasia aza angamba tsy manao izany. Ny fivoriana na fanehoan-kevitra an-dalambe moa izany hatramin’ny taona 2018 no efa tsy nomena ny mpanohitra intsony ny alalana. Mampiverina tany amin’ny repoblika faharoa ohatran’ilay hoe mila vakiana eo anoloan’ingahy minisitra na ny solontenan’ny minisiteran’ny filazàm-baovao tamin’izany fotoana izany aloha ny gazety ho avoaka rahampitso dia izy avy eo no manapa-kevitra hoe ity azo atao, ity tsy azo. Ity azo avoaka, ity tsy azo avoaka! Mety ho ohatran’izany koa ve izany ity hoe fivorian’ny mpanohitra mila atrehin’ny solontenam-panjakàna ity mba hiteny hoe azonareo resahina izany na tsia? Ny dikan’izany rehetra izany dia mihemotra be ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara, hoy hatrany izy!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby