airtel

Politique

06-févr-2025

Mafy ny tsindry hamotsorana an’i Paul Rafanoharana

Faniry sy Marco no tambiny tadiavin’ny Fitondrana…

Sample post image

Miha mafana ny raharaha Paul Rafanoharana ilay izay nogadrain’ny Fanjakana Rajoelina

06-févr-2025

nanomboka ny jolay 2021. Mandeha ny tsindry mivantana na ankolaka mahazo ny Fitondrana ankehitriny mikasika ny famotsorana ity manamboninahitra Frantsay 61 taona efa misotro ronono ity, izay nenjehina ho nikasa hanongana sy hamono ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao anatin’ny raharaha « Apollo 21 » ny jona 2021, ka nohelohina higadra sazy mihatra 20 taona, araka ny didy nivoaka ny desambra 2021. Olona 20 no voahenjika saingy nisy ireo nafahana ary tao ireo nohelohina sazy henjana, ka anisany ity farany, raha efa nahazo famindrana any Frantsa nanomboka ny kosa ilay manamboninahitra iray Philippe François jona 2023. Iray volana lasa teo izay, namoaka ny Vondrona mpanara-maso ny fitazonana Firenena Mikambana na ny ONU fa « fitazonana tsy ara-dalàna » na «détention arbitraire » no atao an’i Paul Rafanoharana, miaina amin’ny fonja faran’izay mampahory, tsy mbola mahavita mahazo ny famindrana azy any Frantsa,… « Nangataka fanazavana tamin’ny minisitry ny fitsarana, Benjamin Alexis Rakotomandimby, ny gazety Le Monde, fa ny valiny dia hoe: “Hampahafantarina amin’ny fotoana mety ianareo”. Nanamafy ihany koa izy fa efa vita tanteraka ny raharaha Apollo 21, ary tsy anjarany irery ny fanapahan-kevitra farany », hoy ampahan-dahatsoratry ny Gazety Frantsay Le Monde ny 11 janoary lasa teo. Ny mpisolovava an’i Paul Rafanoharana andaniny efa nilaza fa miaina ao anaty efitra kely mirefy 2 metatra amin’ny 4 metatra, tsy misy varavarankely ao Tsiafahy ny olona arovany, kanefa ny fikambanana Amnesty International dia mamariparitra an’i Tsiafahy ho "afobe" na "anfer" noho ny fepetra henjana iainan’ny voafonja ao. Mandeha sy mihafamafy noho izany ny tsindry hamotsorana an’i Paul Rafanoharana ka asa izay hiafarany ? Matoa votsotra afaka nafindra tany Lafrantsa i Philippe François dia azo heverina ny mety hahavotsotra azy ao anatin’ny tsindry sy fifanarahana politika. Hanao ahoana kosa ireo Malagasy nogadraina tamin’ity raharaha ity ? Mba hisy famindram-po sa havela hilentika tanteraka ao fa ny mizaka zom-pirenena vahiny mety ho tafala eto ihany ?

MIKETRIKA FIFANAKALOZANA GADRA ?
Andrasana moa ny tohin’io Raharaha Paul Rafanoharana io, fa ny resaka mandeha, dia tambiny tadiavin’ny Fitondrana Rajoelina ny hanolorana azy ireo an’i Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha sy Paul Rafanoharana Malagasy isan’ny nafana fo tamin’ny fanetsehana ireo diaspora Malagasy naneho ny tsy fankasitrahany ny Fitondrana ankehitriny. Tsy afaka handiso na hanamarina izany isika, fa i Fanirisoa Ernaivo tenany mihitsy aloha ankehitriny no milaza fa manao fandresen-dahatra na « lobbying » amin’ny Fitsarana Frantsay amin’ny « trafic d’influence » na kolikoly amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’olona ambony sy « violation de droit humains » na fanohintohinana sy fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny Fitondrana. Misy ifandraisany amin’izany tokoa ve sary navoakana tompon’andraikitra Frantsay niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Minisitry ny fanajariana ny tany Frantsa izay tsy nisy fampitam-baovao sy tatitra ofisialy? Tahaka izany ihany koa Tale eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika toa an-dRtoa Lova Ranoromaro Mpitondra tenin’ny Filoham-pirenena izay tondroin’i Fanirisoa Ernaivo fa iraka hanao fifampiraharahana hampodiana azy. I Fanirisoa Ernaivo izay efa nohelohin’izao fitondrana izao, saingy mialokaloka politika any Frantsay, manana sata manokana sy mahazo fiarovana,...
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap