Mandeha ny tsindry samihafa, mitombo ny ahiahy maro lafy, raha tsy hilaza afatsy ny mikasika lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny « ordonnance » izay mitombo ny ahiahy amin’ny fanabontsinana ny lisitra ahiana ho amin’ny tombotsoan’antoko na vondron’olona manokana. Raikitra ihany koa ny tsindry politika samihafa. Raha ny vaovao voaray omaly, kandida roa ao Mahanjanga ankehitriny no voalaza fa tratry ny tsindry na hanaovana tsindry mivantana na ankolaka mba tsy hanohy propagandy intsony fa hanohana Kandida hafa. Asa na misy ifandraisany tamin’ny fahatongavan’ny mpitondra ambony sasany tany an-toerana tamin’ity herinandro ity na fifandrifian-javatra ihany ? Tsy vaovao amin’ny tontolon’ny politika sy ny fifidianana eto amintsika ny toa io, fa efa nisy ny tranga tahaka izany toy ny tany Manakara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,