airtel

Politique

10-oct-2022

Politique

Mahery Lanto Manandafy Hitory noho fandrahonana ho faty nahazo azy

Sample post image

Hametraka fitoriana eny amin'ny Borigadin’ny polisy misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy i Mahery Lanto Manandafy anio amin’ny 10ora atoandro eo ho eo noho ny fandrahonana ho faty nataon'ilay vazaha nitory azy,

10-oct-2022

raha nifanena tao amin'ny Cybercriminalité naka ny fampanantsoana azy i Mahery Lanto Manandafy na Malama. Asa na ny vadiny na mpisolovava no hametraka fitoriana amin’ny anarany? Raha tsiahivina, notorian’ilay vazaha antsoina hoe: Olivier Blancart i Mahery Lanto noho ny famosahany ho fanta-bahoaka fa mpamatsy bala ny dahalo io, misy polisy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika mpanatitra izany, ary misy depiote ihany koa notondroiny fa mpiray afera. Vokany, nidoboka am-ponja vonjimaika nanomboka ny 30 septambra teo i Malama. Nisy ny tsindry hamoahana ny loharanom-baovao momba io afera io, saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany i Malama, ary naneho fa norahonana ho faty. “Tena nisy ny fandrahonana ho faty nataon'ilay vazaha an'i Mahery Lanto Manandafy ary tao amin'ny faritry ny sampana cybercriminalité Anosy no nitrangan'izay tamin'izy naka ilay taratasy fiantsoana azy.Nisy polisy nanatrika ary nahare tsara io fandrahonana io.Hametraka fitoriana izahay.Raha ny fahitako azy, milamin-tsaina i Mahery Lanto Manandafy ary miandry am-pitoniana ny ho tohin'ny raharaha any am-ponja", hoy ny vadiny raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8 ny faran’ny herinandro teo. Hatreto, Malama ihany no nidoboka am-ponja, fa ny zavatra nambarany toa niniana nohamaivanina, ary heverina fa ho fampanginana azy ny fanagadrana na ekena tokoa aza fa efa manana sazy mihantona izay nihatra avy hatrany izy noho ny fisiana raharaha hafa nitoriana azy. Zavatra saropady, misy resaka fandatsahana aina Malagasy na sivily na miaramila ny raharaha, raha tena mitombina, ary ho fiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana no nambara fa antony nanaovany an’ireny. Tsy fiarovana an’iza, na koa fanamelohana an’iza, fa hatreto aloha tsy mbola misy fanadihahadiana re mikasika ilay vazaha io. Teo ihany koa ny fisiana olona miasa eo amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy olom-boafidy ao amin’ny Antenimieram-pirenena nolazainy, saingy ny fonja no setriny. Hisy fijerena sy fihainoana ve ny fitoriana hataon’i Mahery Lanto Manandafy sa ho very an-javony tahaka ny fitoriana nataon’i Ravo Ranambinina momba ny ahiahiana kolikoly amina miliara maro tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana ary izy indray aza no natao maty henjika?

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap