airtel

Politique

08-nov-2022

Politique

Mahery Lanto Manandafy Tsy avela mifanerasera amin’ireo gadra politika

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora ny tolakandron'ny zoma 30 septambra 2022 i Mahery Lanto Manandafy taorian'ny nampakarana azy fampanoavana.

08-nov-2022

Rehefa avy natao famotorana tao amin'ny sampana miady amin'ny heloka ana habaka na “Cybercriminalité” eo anivon’ny polisim-pirenena noho ny fitoriana nataona teratany vahiny iray mpandraharaha azy ho nanao fanalam-baraka. Nilaza tsy hanao fangatahana fahafahana vonjimaika moa ny lehilahy, raha ny nambaran'ny vadiny. Nametraka fitoriana ity teratany vahiny, nolazainy fa tompon'ny famarotana antsokosoko bala entina amonoana ny Malagasy, ampiasain'ireo dahalo, i Malama, raha ny fanambarana nataon'ny vadiny hatrany nefa tsy noraisin'ny fitsarana izany fitoriana izany, hoy izy. Raha ny fantatra moa dia tsy avela hifanerasera amin'ireo gadra mpanao politika ao Antanimora ihany koa i Mahery Lanto Manandafy tao anatin’izay 39 andro izay, hoy kosa ny fampitam-baovao voaray omaly.
J.Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap