raha fanazavan’ny vadiny tamin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Iray volana sy telo andro, mbola tsy nandeha ny fotoam-pitsarana, ary na ny daty aza mbola tsy fantatra, ka nilazan’ny vadiny fa mihisatra tanteraka ny raharaham-pitsarana. Raha hiverenana, ny 30 septambra 2022 no naiditra am-ponja vonjimaika i Mahery Lanto Manandafy taorian’ny ampamoaka nataony, nanonona teratany vahiny iray ho mpamatsy bala ny dahalo. Tsy naka mpisolovava moa I Mahery Lanto Manandafy. “Marina fa ity teratany vahiny ity no nandrahona azy. Mahita fihetsika hafahafa eny an-dalana izahay. Nanamafy fa tambajotra matanjaka, ary efa nilaza fa manana ny hoenti-manana hanao zavatra tsy ampoizina”, hoy Rtoa Doris Rakoto Samuel. Tsara ny mampahatsiahy, fa ankoatra io vazaha io, dia nisy ihany koa olom-boafidy, mpitandro filaminana miasa any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika notononin’I Mahery Lanto Manandafy ho mpiara-miketrika asa ratsy fandripahana mpitandro filaminana sy vahoaka amin’ny alalan’ny famatsiana bala. Ny tenany no nampirimina any Antanimora, fa ny zavatra nambarany toa tonga amin’ilay hoe: azo raisina fa tsy mitombina.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny