airtel

Politique

24-nov-2023

Mampiahiahy ny fomba fiasan’ny HCC

Olona efa maty no notendreny ho depiote

Sample post image

Olona efa nodimandry ny taona 2020 dia ny kandida Rambeloarisoa Flavien Marie Gérard,

24-nov-2023

no mbola notendren’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ho solon’ny depiote vao nodimandry ny 10 novambra teo koa dia ny depiote Papasolo na Honoré Rasolonjatovo, izay voafidy tao Faratsiho tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRD na «Isika rehetra distrika miaraka amin’i Andry Rajoelina», araka ny didim-panjakana navoakan’izy ireo ny alarobia teo. Ny oktobra 2020 no efa maty, hoy ireo akaiky ity voatendry hanolo ny depiote Papasolo ity, no efa maty ny havanay hoy ny fianakaviana. Noporofoin’ny HCC, araka izany, fa tsy manao fanadihadiana fa mandray antontan-taratasy sy mampihatra izay voasoratra fotsiny tokoa ity rafitra ity, araka ny efa nolazainy mikasika ny raharaha momba ny zom-pirenen’ny filoham-pirenena teo aloha izay voalaza fa efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony fa efa frantsay, raha ampiharina ny andininy faha 42 ao anatin’ny sata mifehy ny zom-pirenena malagasy. Fanontaniana mipetraka hatrany manoloana ny tranga na toe-draharaha toy izao ny hoe inona moa izany no maha mpitsara ny mpitsara na fitsarana ny fitsarana raha tsy manadihady izay raharaha natao hamoahany didim-pitsarana ? Toa mampitombina ny ahiahin’ny maro izao zava-mitranga izao fa tena asa maimaika no atao eny Ambohidahy eny, no sady mampiahiahy ny amin’ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny HCC tany aloha tany . Raha ny fampitam-baovao hatrany moa dia omaly alakamisy vao taitra nanoloana ity toe-draharaha ity ny teny Tsimbazaza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap