ankoatra ny maha olona akaiky ny Filoha Andry Rajoelina ny tenany. Sambany tao anatin’ny 32 taona no nipoirany niresaka betsaka momba ny politika ankoatra ny toekarena, tamin’ny alalan’ny fandaharana nandeha tamin’ny fahitalavitra tsy miankina vitsivitsy ny 01 aprily 2022 teo. Nandritra io no nanambarany fa manohana hatrany ny Filoha Rajoelina sy mbola hanohana azy izy, ary mandrisika azy mbola hirotsaka hanohy ny asa efa natombony. Etsy andaniny, mihazakazaka ny fanelezana sy fametrahana manerana ny Nosy ny fikambanana AFF (Association Andry sy Fototra) izay tarihin-dRtoa Haingo Ravatomanga vadin’Atoa Mamy Ravatomanga. Ny sabotsy 28 mey lasa teo, ohatra, dia tao Antsirabe no nisian’ny fananganana sy fanetsehana tamin’ny fomba ofisialy ny rantsan’ny AFF. Nifanandrify indrindra tamin’ny fameloma-maso na “redynamisation” an’ny Antoko TIM izay norarana. Tombanana ho isan’ny nanakanana ny TIM ny fisian’izany satria mety ho takona ny ankilany. Ny resaka sosialy no tena hiseharan’ity AFF ity bebe kokoa, saingy maro no mihevitra sy manombatombana, fa mety hiofo mivantana na ankolaka any amin’ny politika io. Matoa manitatra ny ambaindain’ny fikambanana manerana ny Nosy, dia tafiditra an’ny tanjona ny hananana vahoaka mpikambana sy mpiara-dia betsaka, izay tsy sarotra ny manome toromarika ara-politika azy ireny rehefa fotoanan’ny fifidianana ohatra. Efa nilaza moa Rtoa Haingo Ravatomanga fa tsy manomana velively ny firotsahan’Atoa Mamy Ravatomanga hofidiana amin’ny 2023 araka ny tombatomban’ny olona ny AFF, izay nambara fa efa nanomboka ny 2018 no nanao asa soa. Na izany aza, tsy hay izay haloaky ny ampitso. Kisendrasendra ve ny fiezahana hanely azy io manerana ny Nosy amin’izao ankatoky ny fifidianana izao? Raha tena mbola manohana ny Filoha Rajoelina tokoa Atoa Mamy Ravatomanga, moa ve tsy mahatoky ny antoko sy ny fikambanana volomboasary ka nisafidy ny hiditra an-tsehatra hitondra fanohanana amin’ny alalan’ny fikambanana azy manokana? Maro no manombana fa tena miomana amin’ny 2023 Atoa Mamy Ravatomanga mivady fa ny ho endriny no mbola tsy hay hoe: hitazona ny fanohanana an-dRajoelina ve? Mety hanohana olon-kafa ve? Sa mety ho izy mivantana mihitsy no hanao ?
Legende:Hiara-dia ve sa hisara-dalana i Ravatomanga sy Rajoelinna amin’ny 2023 ?
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,