Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena tahaka ny raharaha bakalorea sy ny fifidianana ny Vondron’ny manam-pahaizana sy mpampianatry ny oniversite anatin’ny GNEPUD (Groupement National des Experts et des Professeurs des Universités pour le Développement) tarihin’ny Pr Andriamalala Mamy Freddy ny sabotsy 22 jolay teo. Misy mpikambana hatrany amin’ny 250 moa io, ary tsy miandany ara-politika satria maro ireo mpikambana izay samy manana ny firehany, raha ny fanamarihana. Naneho fa tsy mitazam-potsiny, fa mitondra fanazavana sy vahaolana amin’ny zava-mitranga. Tsy manaiky ny savorovoro tamin’ny bakalorea farany teo, tsy mijery hoe: iza no tompon’andraikitra, fa mijery vahaolana sy manazava amin’ny vahoaka. ”Tsy ekenay ny fitantanana tsy misy fahombiazana sy goragora. Amin’ny fitantanana rehetra io fa tsy resaka bakalorea ihany. Ahenao ny fivangongoam-pahefana aty ambony, tsinjarao ny fahefana, tokony hisy bakalorea isaky ny faritany satria any Frantsa ohatra, dia misy isaky departemanta ny bakalorea. Mila apetraka ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana manontolo. Isan’ny fomba ahafahana mampandray andraikitra ny olom-boafidy any amin’ny faritra sy ny vahoaka rahateo ny fitsinjaram-pahefana, ary ahafahana mitsinjara ny fitaovam-panjakana mivangongo aty an-drenivohitra”, hoy I Pr Andriamalala Mamy Freddy. Ara-politika, efa voafaritra fa hisy fifidianana, ka manaja an’izay fanapahan-kevitra anatin’ny lalàna, manaja ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna, fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika,... Tokony handeha amin’ny rariny sy hitsiny ny fifidianana, ary tsy ekena ny fifidianana mety hisy hosoka. Tokony havela hilatsaka izay mahafeno fepetra, fa tsy misy fanakanana an-dRakoto na Rabe. Momba ny Filoha ankehitriny, dia aleo ny vahoaka no hitsara azy amin’ny fifidianana, olom-pirenena Malagasy izy, ka lany izy na tsy ho lany dia izay no demokrasia eken’ny rehetra, hoy hatrany ny Pr Andriamalala Mamy Freddy. Manipika izy ireo, fa tokony hisy ny fitoniana, ary ilaina ny fifampiresahana eo amin’ny samy mpisehatra politika satria ny korontana nisy teto Madagasikara, dia niteraka fahantrana hatrany. Ny tamin’ny taona 1991 ohatra, dia nambaran’izy ireo fa niiba -6,3% ny fitomboan’ny harin-karena, niiba -12% ny 2002, niiba 0% 2009. Talohan’ny krizy 2001 dia 69,6% ny tahan’ny fahantrana, saingy tafakatra 80,7% ny taona 2002, olona 2 tapitrisa no lasa mahantra na “nouveau pauvre”. Ny taona 2008 tany amin’ny 63,4% ny tahan’ny olona mahantra, saingy tafakatra 76,5% nandritra ny krizy, ary nitombo 3 tapitrisa ireo mahantra vaovao satria maro no very asa,...
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny