raha tsy tazana teny an-toerana intsony ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nanipika kosa i Marc Ravalomanana, fa ny rafitry ny Firenena Mikambana no manohana ny hisian’ny dingana ara-pifidianana milamina sy mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara, ka mahatoky izany ny tenany. Naneho fa nisy tokoa ny ezaka nataon’ny CENI saingy mahita ihany koa izy ireo fa maro ny lesoka. Niantso ny CENI hamoaka mazava ny hoenti-manana ara-pifidianana na avy amin’ny governemanta na avy amin’ny mpamatsy vola ity Filoha teo aloha ity, ka nilazany fa tokony hazava ny vola tena ilaina. Fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangaraharaha ihany no vahaolana. “Tsy tanteraka izany raha hatao fitaovana izahay mpanohitra ka rehefa misy ilàna anay mba hanamarinana eto anatrehan’ireto mpamatsy vola dia antsoina izahay, dia ohatran’ny tsara ery ny ataonareo kanefa misy tsy mety”, hoy i Marc Ravalomanana mantsy ny CENI, toa naneho fa tsy hanaiky hatao fitaovana. Nitanisa ny tsy mety taorian’ny fitetezana faritra 19, toy ny fisiana karine fanisana mpifidy mandehandeha tahaka an’I SAVA sy Diana, kanefa tsy afaka mivoaka raha tsy avy amin’ny CENI. “Mila mitovy eo anatrehan’ny lalàna, ny antokom-panjakana anefa afaka manao izay tiany, fa izahay dahorana lakrimozenina, nandefasa zandarin’ny GSIS mihitsy, ary ny kolonely tompon’andraikitra ao Antsirabe dia naneho fa misy tsy avy ao aminy fa nafarana manokana avy aty an-dRenivohitra. Anjaran’ny CENI no mba mijery hoe: tsy mety ny ataon’ny mpitondra, aleo hitovy ny Malagasy, aleo hitovy ny antoko, aoka tsy hangina fotsiny ny CENI rehefa misy zavatra tsy mety fa hanameloka, fa lasa fitanilana. Rehefa tsy miteny ny CENI dia lasa baikoan’ny mpitondra”, hoy I Marc Ravalomanana. Niantso ny sehatra iraisam-pirenena hanameloka an’ireny ny tenany. Nanitrikitrika ny tsy maintsy hajaina ny fenitra faran’izay bitika amin’ny demokrasia sy ny drafitra iraisam-pirenena momba ny fanatanterahana ny fifidianana satria tsy hisy vola hirotsaka ao anatin’ilay “basket fund” hanaovana ilay fifidianana raha tsy voahaja izany.
“MIJALY NY VAHOAKA, TSY MILA TETEZAMITA IZANY”
“Miantso ireo mpanohitra sasany tsy mitovy hevitra mba hieritreritra tsara. Aiza no hilazana ny manjo sy ny zava-misy raha tsy manatrika? Misy ny milaza fa ny Filoha Ravalomanana irery no tsy mety miara-dia aminay, ka tsy miara-dia aho satria zavatra samihafa angamba no tarigetra, ka ny anay fifidianana ihany dia fifidianana”, hoy io Filoha teo aloha io. Aza mieritreritra hoe: ao anatin’ny tetezamita na GENIE (Gouvernement d’Entente Nationale Intermédiaire pour les Elections) no hamahana ny olan’ny Malagasy ankehitriny. Tena sahirana ny Malagasy, ary fifidianana ihany satria ao anatin’ny sata Repoblikanina isika”, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Momba ny fisian’ireo depiote TIM 2 ao anatin’ny Vovonana Lera, nilaza i Marc Ravalomanana fa safidin’izy ireo manokana izany.
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,