airtel

Politique

15-janv-2024

Marc Ravalomanana

“Mbola tsy vita ny tolontsika”

Sample post image

Mbola misy adidy apetrak’Andriamanitra amintsika matoa isika

15-janv-2024

nomen’izao tombon’andro izao, hoy ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, Marc Ravalomanana. Toy ny mpirahalahy mianala isika, hoy izy. Mifankahita eny ihany any anaty ala any. Haka fahefana no tanjona sy antom-pisian’ny RMDM. 21 isa teo, fara fahakeliny, ny antoko niara-nanangana azy. Na tsy nitovy aza ny hevitra tamin’izany dia niezaka isika nifandrindra sy nifandefitra. Tsy nihemotra tamin’ny fampitahorana sy fanenjehana nitranga. Tonga ny fotoana! Aza matahotra, minoa fotsiny ihany! Tsy nandray anjara isika tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo satria tsy voahaja ny voalazan’ny lalàmpanorenana mikasika ny fisiana kandida tsy mizaka zom-pirenena malagasy nefa nekena handray anjara. Hamafisina fa tsy hanaiky tsy ara-dalàna isika fa mitaky ny fanajana lalàna ary mitaky ny fitandremana toy ny anak’andriamaso ny lalàmpanorenana. Mbola tsy vita ny tolontsika. Hamafisintsika hatrany fa tsy ara-dalàna ny fifidianana nisy ary tsy ekentsika ny vokatra nataony. Tanjona ny hoe Madagasikara ho an’ny malagasy ary malagasy ho an’i Madagasikara. Tena faly aho miaraka aminareo. Politika no ataontsika ka tsy maintsy manana faharetana isika. Mbola tsy tapitra ny tolona. Zava-dehibe ny firaisankina. Vao nivory izahay firaisankinan’ny kandida ny alakamisy teo ka ho tohizana ny firaisankinanay. Eo am-pandaminana azy izahay izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap