eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo voatohintohina ny zo politika faritan’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana tokony hositrahany. Eo anatrehan’ny efa namoahan’ny CENI ny tetiandrom-pifidianana sy ny tokony hiomanan’ny rehetra, notsiahivin’ny TIM ny andininy faha-55 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka; ny andininy faha-26 amin’ny lalàna 2011-012 mikasika ny antoko politika, izay manome fahafahana ny antoko hanao ny fanentanana ny fiainana ara-politika sy ara-pifidianana, hanofana ireo mpikambana ao aminy, hanentana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fiainana politika sy sosialy. Nanamafy rahateo io antoko io, fa mijoro ara-dalàna mifanaraka amin’ny Arrêté n°22.828 sy ny fisoratana ao anatin’ny Rejisitra nasionalin’ny antoko politika n°161/2014. Na eo aza izany, hetsika maro nomanina sy anaty fandaharam-potoanan’ny antoko tafiditra ao anatin’ny zo tokony hositrahany araka ny lalàna (fameloma-maso na redynamisation, fankalazana tsingerin-taona, tatitra sy fanomezam-baovao ara-politika, fanentanana,…) no norarana, nofoanana, nokorontanin’ny mpitandro filaminana izay teo ambany toromariky ny solontenam-panjakana (prefe, lehiben’ny distrika), hoy ny voarakitry ny taratasin’Atoa Marc Ravalomanana. Anisan’ny ohatra iray noraisiny ny teny Talatamaty nanakana ny TIM ny sabotsy 19 febroary teo tamin’ny alalan’ny fampiasana mpitandro filaminana mirongo basy, baiko sy fandrahonana ny tompon’ny toeram-pilanonana,… Misy ny fampihorohoroana, fanakanana, fanafoanana, fanakorontanana, ka isan’ny ampiasaina hanao fampihorohoroana ny solontenam-panjakana, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana tao anatin’io taratasy miantefa amin’ny Praiminisitra izay Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana sady lehiben’ny OMC Nat(Organe Mixte de Conception Nationale) . Mba hisian’ny antoka sy tontolo milamina hiatrehana am-pitoniana sy azo antoka, dia niantso ny Praiminisitra mba handray fepetra ka hanafoanana ny endrika fampihorohoroana rehetra I Marc Ravalomanana. Miantso ihany koa ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra ara-panjakana tsy manaja ny tsy fiandaniana ara-politika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny