Efa niantrana ny mpitandro filaminana izay nilaza fa nahazo toromarika hoe: tsy mahazo mivoaka ny fiara I Marc Ravalomanana, raha tsy any amin’ny toerana hanaovana ny hetsika. Nisafidy ny handeha an-tongotra anefa ity farany, ary nihorakoraka ny olona hoe: “avelao izy handeha”. Raikitra noho izany ny fanakanana, saingy tsy nanaiky lembenana ny ankilany. Nandeha ny famakiana barazy in-droa miantoana. Ireo depiote TIM no nitarika sy nifanjevo tamin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny lohalaharana ary tao anatin’izany ihany koa i Marc Ravalomanana, narahin’ny vahoaka avy aoriana, hany ka resy tosika ny mpanakana. Raikitra ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso nentina nanaparitahana ny olona. Nilaza moa I Marc Ravalomanana fa vao niala taty Antananarivo, dia efa nomen’ny fiaran’ny Masoivoho Britanika nisy sainan’io firenena io toromarika hoe: araho izahay, ka hitan’izao tontolo izao ny didy jadona, tsy miasa irery isika, tsy fampitahorana kely no hampihemotra anay, hoy ny Filoha teo aloha. “Tsy hampihorohoroan’ireo isika, tsy mihemotra intsony”, hoy hatrany ity farany, ka nanamafy fa fifidianana ihany no làlana, kanefa dia sakanana izy ireo amin’ny fanentanana ny olona, fa tsy hanaiky lembenana. Niantefa manokana tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) jeneraly Serge Gellé I Marc Ravalomanana. “Miantso anao izahay ry Ingahy SEG! Ahirato ny masonao fa tsy ianao irery no mahalala an’ity, tsy ianao irery no tompon’ny lalàna, ny mampalahelo misy amin’ireo mpitandro filaminana efa tonga saina hoe:andao prezida aza no efa tonga saina, fa vitsy no mibahambahana. Mahalala tsara ianao ao anatin’ny fotoam-pifidianana izao ka malalaka ny fifamezivezena sy ny fitenenana, ianao no tsy te hiteny, teneno aho, antsoy ao, na sambory ihany koa aho raha tianao, tsy fanao, mamoafady, tamin’ny distrika 12 teto ihany no namoafady”, hoy I Marc Ravalomanana naneho ny hampitana izany amin’ny Filoha sy Praiminisitra ihany koa. “Potika ny firenena, latsaka anaty fahantrana, ka tsy maintsy mijoro. Aza amidy amin’ny volakely na sakafo kely ny safidy”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana, izay nanitrikitrika fa leo ny vahoaka, leo fahantrana, leo delestazy, leo tsy fahaiza-mitantana, kanefa mbola hampiasana herim-pamoretana. Ao anatin’ny vanim-potoana an-katoky ny fifidianana no miseho ny tranga tahaka izao. Mihamafy ny fifandonana politika, mangotraka ny kabary politika mahery vaika, mandeha ny don-tandroka, samy milaza fa tsy mifankatahotra,… Izao ve no kianja politika hoenti-miatrika fifidianana?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny