Niantefa tamin’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany naneho fa herisetra, ary tonga dia atao fisambotra an-keriny fotsiny izao ireny, alainy amin'ny vozon'akanjony, ka izany no atao hoe : " terrorisme d'Etat", izany no atao hoe fampihorohoroana, tsy manaja sy manitsakitsaka ny lalampanorenana, efa niparitaka eran-tany ny zava-niseho, hampisehoana fa eto Madagasikara dia tsy misy mihitsy izany fanajana zon'olombelona izany, tsy misy fanajana ny hasin'ny maha-olona ny olona, ny maha-malagasy azy, ny maha-mpitarika azy, hoy hatrany i Marc Ravaolamanana. Nisaotra ny vahoaka ny tenany, naneho fa novotsorana ireo mpitarika satria tsy hita izay saika hilazana azy, saika hamorona fotsiny ny vesatra hatao amin-dry zareo, ohatran'ny zavatra nanjo ny tany Nosy be tamin'i Ninie Doniah. « Tandremo tsara fa fandalovana ny anareo eo amin'io toerana io, tandremo tsara fa ny fampandrosoana firenena tsy maintsy ao anaty filaminana, fifanakalozan-kevitra, fifampidinihana,… » hoy i Marc Ravalomanana nanipika fa ny Fanjakana no minia be marenina. Nanamafy ny fanamelohana tanteraka ny fihetsika ny Fanjakana tamin’ny sabotsy teo izy. Niantefa tamin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) hoe : mba jereo raha tena tsy mitanila ianareo: ara-dalana ve ? Araka ny lalampanorenana ve ireny? Mety ve ireny natao ireny ? Na dia teny kely aza tsy avoakanareo? Teo izahay, efa teo aho, mahalala tsara hoe ohatran'ny inona izany fanajana lalampanorenana izany toy ny anakandriamaso, fianianana natao izany, mialohan'ny fandraisana andraikitra amin'ny maha filohan'ny repoblika, fa tsy mangenahena, manao be marenina fotsiny eo, hoy ity Filoha teo aloha ity. « Miantso ny vahoaka malagasy rehetra aho samy hijoro ho sahy handray ny andraikitra, fa tsy avelantsika ho ampahoriana toy izao ny vahoaka malagasy”, hoy i Marc Ravalomanana naneho fa tsy azo ekena intsony jadona.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,