Notanterahina tao Namahora Atsimo ny fanamarihana izany, izay fotoana nitondran’I Marc Ravalomanana hafatra politika ho an’ireo mpiara-dia sy mpanohana azy manerana ny Nosy. Tamin’io sabotsy io no nanambarany fa mihevitra hanao kongresim-paritra ny Antoko TIM. Ahafahana manadihady ny tena filan’ny vahoaka arakaraka ny faritra misy azy io, ary miainga amin’izany ny programa sy politika hoentina mampandroso ilay faritra, raha ny votoatiny. “Ny zavatra hita teny an-dalana mantsy dia tsy mitovy ny zavatra manjo ny vahoaka arakaraka ny toerana misy azy. Ao ny resaka fambolena ny olany, ao ny manana olana amin’ny tsy fandriampahalemana,...”, hoy I Marc Ravalomanana. Kongresy ahafahana mamorona programan’ny antoko miainga amin’ny laharam-pahamehan’ny faritra sy ny mponina ao aminy, ary io no heverina fa hoentin’ny TIM miatrika ny fifidianana rehefa halalinina. Mba hampahomby izany anefa, niantso ny olom-pirenana hisoratra anarana sy hanara-maso ny lisi-pifidianana I Marc Ravalomanana. “Na rahoviana na rahoviana tsy maintsy misy fifidianana eo. Tsy maintsy miezaka ianareo manara-maso ny anarana mba ho tafiditra anaty lisitry ny mpifidy. “Tsy maintsy”, ary mbola haveriko hoe: tsy maintsy, mba ahazoantsika fahefana, ahafahana mitondra vahaolana. Mila mailo hatrany amin’ny isam-pokontany satria manao izay tsy hisian’ny mpifidy izy ireo dia hanjaka ho azy eo, ka ataovy izay ahafahanareo misoratra anarana”, hoy I Marc Ravalomanana. Notsipihiny fa ireny taratasy manamarina ny fisoratana anarana ireny no ahafahana miady amin’ny mety ho fanodinkodinana ny voka-pifidianana, raha sanatria ka ho avy indray ny hoe: “azo raisina fa tsy mitombina. Miomana ary mbola manantena ny ho tafaverina eo amin’ny fitondrana I Marc Ravalomanana sy ny TIM, raha tarafina hatrany amin’ny fihetsiny.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny