Nilaza ny tenany fa ankoatry ny filoham-pirenena dia efa saika nihaona taminy ihany avokoa ireo mpisehatra maro eto amin’ny firenena amin’ny sehatra rehetra hatramin’ireo mpitantana orinasa sy mpisehatra ara-kolontsaina. Toy izany koa ireo mpisehatra amin’ny zon’olombelona sy tontolo iainana miara-miasa amin’i Lafrantsa an-taonany mora. Mafy orina, maro lafy ary mifantoka amin’ny hoavy ny fifandraisan’I Madagasikara sy Frantsa, hoy izy, raha ny hitako hatreto. Zava-dehibe amiko, noho izany, ny mamantatra ireo malagasy 30 tapitrisa ary hiezaka aho hanao fitetezam-paritra fara-faha keliny in-dray mandeha isam-bolana. Mbola avy amin’ny Frantsay ny 40%n’ny famatsiana mivantana avy any ivelany eto. Asa miisa 20.000 no anay eto ao anatin’ny sehatra ara-dalàna. Tsy zavatra kely izany, hoy i Arnaud Guillois . Faly mandray anjara amin’ny fampandrosoana sy fanofanana ny namanay Malagasy izahay. Zava-dehibe ho an’I Madagasikara ity taona ity. Manan-jo hifidy malalaka izay hitondra azy ny Malagasy, hoy izy. Fanomanana, fanatontosana, fanekena ny fitsipiky ny demokrasia no zava-dehibe ary izahay tsy hitsabaka amin’ny fifidianana eto Madagasikara. Mikasika ireo nosy manodidina dia efa nisy komisionina iraisana in-dray teto tamin’ny novambra 2021. Noeritreretina hisy faharoa ny taona 2022. Mbola resaka avo lenta ka tsy afaka mamaritra mialoha azy aho, hoy hatrany izy. Raha fehezina dia tsikaritra ho nanao don-tandroka an-kolaka ny amin’ny tsy ahafahantsika miala aminy ny firenena frantsay tamin’ity omaly ity.
J. Mirija
Legende: Ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,