Nahanjahanjan’ireo kandida teo ity Vaomiera tsy mety maharesy lahatra ny maro nandritry ny fifidianana nisy teto amin’ny firenena ho mahaleontena amin’ny resaka fikarakarana fifidianana ity omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Alarobia. Kandida miisa 2, izay efa nampoizina ihany no nahatonga solontena hihaona tamin’ity vaomiera ity dia ny solontenan’ny kandida laharana faha 3, Andry Nirina Rajoelina, sy ny an’ny faha 11, Sedson Daniela Raderanirina. Liana amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny mpanara-baovao ny amin’ny antony tsy hiraisan’ity kandida faha 11 ity hina amin’ireo kandida miisa 11 hafa izay manamafy hatrany ny fanoheran’izy ireo ny karazana endrika fanitsakitsahana lalàmpanorenana ao anatin’izao fikarakarana fifidianana izao. Isan’ny voalaza ao anatin’izany moa ny tsy fanekena ny firotsahan-kofidian’ny kandida laharana faha 3, noho ity farany, izay nambara sy noporofoina hatrany fa efa lasa frantsay tanteraka fa tsy malagasy intsony, noho izy nangataka izany zom-pirenena izany ny taona 2014 nefa efa olon-dehibe ampy taona na “majeur” ka dia niharan’ny lalàna momba ny fiofoana na “naturalisation”. Toherin’ny firaisankinan’ireto kandida ireto ihany koa ny fomba nanomezana fahefana ny praiminisitra Ntsay sy ny governemantany ho filoham-panjakana vonjimaika hitantana mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Mitsipaka tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC, araka izany, hatreto ireto kandida ho filoham-pirenena miisa 11 ireto.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,