airtel

Politique

17-août-2023

Politique

Miary Rasolofoarijaona “Tsy maintsy mijoro sy miady isika!”

Sample post image

Toy izao ny fahitako ny politika eto Madagasikara, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona.

17-août-2023

Lovantsika avy amin'ny raiamandreny rehetra tany aloha tany ity Madagasikara ity, hoy izy, ary lova ho avelantsika ho an'ny taranaka. Raiamandreny iray no niteny tamiko fa raha tsy misy fifandeferana dia tsy hisy fampandrosoana saingy nampiany hoe ny fifandeferana dia zava-poana raha fitiavan-tena sy tombotsoa manokana no manjaka. Eny, mila miafy sy milefitra ny vahoaka, fa raha fitiavan-tena sy tsy fahaiza-mitantana no setriny, tsy maintsy mijoro sy miady isika hisian'ny tsara kokoa! Tsy ho ekentsika izany mpitatana tena ahitana mpanao kolikoly sy mpanodina ny volam-bahoaka izany. Tsy ekentsika izany hoe efa tsy delestazy fa fahatapahana matetika no misy. Tsy ekentsika izany mpitondra mihevitra fa ny fampanantenana poakaty no fomba hitantanana sy handaminana ny fiarahamonina. Efa olon-dehibe tonga saina isika malagasy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap