airtel

Politique

16-janv-2025

Miha mangotraka ny toe-draharaha

Mahatsiaro ho tandindonin-doza ny mpitondra…

Sample post image

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

16-janv-2025

Dia nifanontany tena ny mpanara-baovao , ireo olom-pirenena miresaka etsy sy eroa hoe fa misy inona e ? Ilay rivodoza ve sa ilay famoahana ny voka-pifidianana ofisialy ve ? Ilay manamboninahitra jeneraly misotro ronono efa nanindry bokotra ampahibemaso nilaza fa tsy mahavita manongam-panjakana izany ny mpanohitra satria tsy ampy hery. Kisendrasendra ve ireny sa efa karazana don-dandroka ara-politika mba hampifitsaka ny rehetra ? Ka inona ary no antony maha tonga ny fikorapahana sy fanambarana etsy sy eroa, ka ampitenenina avokoa ny etamazaoro politikan’ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra ambony samihafa ? Tena mahalasa saina tokoa ireo karazana fanambarana sy fanehoan-kevitra nifanesisesy tato anatin’ny herinandro izao, inona no tena maha maika ohatra nanaovana fanambarana andro sabotsy. Tsy mahazo antoka ny hery ananany indray angaha ireo mpomba ny fitondrana, efa sahy nihirahira hoe antsika ny tanàna,… Ny valala misy ny mpilaza mahay, saingy tsy azo hamaivanina sy hodian-tsy hita ireny rehetra ireny. Isan’ny niteraka adihevitra iny resaka tafika sy foloalindahy iny izay voatery niditra an-tsehatra nitondra fandisoana samihafa ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ary naneho fa milamina sy tsy misy atahorana ao, fa tsaho sy fanakorontanana no betsaka. Ireny ny fanambarana sokajiana ofisialy, dia raisina, saingy tsy mahasakana ny adihevitra sy ny ahiahy samihafa. Tsy finiavana hanakorontana saim-bahoaka fa tena misy ny ambana ara-politika, ara-tsosialy, ara-toekarena,… izay tsy azo hamaivanina, ary ny mpitondra aza tsapa sy tsikaritra fa manana fanahiana sy mahatsiaro ho mihozongozona, ka miezaka manamafy seza amin’ny fomba maro. Tena mampiharihary sy mampiseho fa misy ny ambana ara-politika, misy tsy matoky tena, ka toa lasa misy endrik’ilay fomba fiteny hoe : « tsy hery fa tahotra ». Ilaina ve ny filazana sy fanambarana etsy sy eroa hoe : aoka ho tony, tsy mila korontana, efa miasa sy mamaha olana ny Fanjakana,… raha tena mahatsiaro ho marin-toerana ny mpitondra ? Dia ireny toa nezahana nampidirana ny miaramila sy ny tafika ireny ny resaka, ka nolazaina fa ny mpanohitra indray no mihantsy ny manam-basy, kanefa iray sy iray ara-politika eo amin’ny mpitondra sy mpanohitra no misy mangataka. Iza izany no mety manana eritreritra hampiady ny vahoaka amin’ny foloalindahy ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap