airtel

Politique

02-oct-2025

Mihamafy ny famonoana sy famoretana

« Fanjakana mihosin-drà ! Misy miala ao Iavoloha ! »

Sample post image

Nafana hatrany ny hetsi-pitakiana ny fialan’ny

02-oct-2025

filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly. Tsy hihemotra raha tsy tratra ny tanjona. « Misy miala ao Iavoloha », hoy ny hiakan’ireo tanora maro be izay nanao diabe teny Antaninandro, raha nisy ihany koa ny andiany hafa nahitana ireo mpiasa avy amin’ny sendika samihafa tetsy Antanimbarinandriana, ireo tanora avy any Vontovorona sy ny maro hafa namakivaky an’Anosy niazo an’Ambohidahy. Niroso tamin’ny fampiasan-kery mahery vaika ny Fitondrana omaly, tamin’ny alalan’ireo « forces » nandrava ny grevy. Tsy an-kitsitsy ny daroka lakrimozenina sy tifitra natao tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana omaly tolakandro nanakanana ny fidirana an’Ambohijatovo, raha navela izany ny talata teo. Norarafana ireo vahoaka teny amin’ny làlana Anosy miazo an’Ambohidahy hatrany Mahamasina, hany ka hatramin’ny olona nipetrapetraka teny amin’ny fiantsonan’ny bus aza nodarohana. Tahaka izany ihany koa ny Ambondrona Andravoahangy, tonga hatrany Besarety sy Avaradoha. Maro no naratra, ka anisany ny vehivavy iray voa mafy teo amin’ny tongony tetsy Antanimbarinandriana. Voalaza aza fa tsy tao anatin’ny mpanao fihetsiketsehana izy saingy tsy ankitsitsy ny herisetra, ka anisan’ny nahalasibatra azy. Raha nampahafantatra ny fisian’ny olona naratra ny olona, ka ilàna vonjy dia ny « adalany no te handeha aty », hoy ny avy amin’ny « forces ». Hatramin’ny olona efa manangan-tanana aza omaly teny Anosy mbola notsipazana lakrimozenina. Tahaka izany ihany koa ny teny Ambondrona, Antaninandro, Andravoahangy Ambony, Andravoahangy Ambany,… Toy izany ihany koa ny teny Antaninandro, izay maro ny naratra, fa anisan’ny voa mafy, potika tanteraka ny tarehin’ny tovolahikely iray. Olona 2 ny nosamborina teny Andravoahangy, tovolahy iray nosamborina teny Antanimbarinandriana izay nitsoaka tao amin’ny CEG noho ny daroka lakrimozenina sy tifitra variraraka. Nolazaina fa mitondra cocktail molotov, poizina,… Na misy aza ny herim-pamoretana, tsapa sy tsikaritra ny firaisankinan’ny Malagasy mangetaheta fiovana, hany ka mitohy hatrany ireo fihetsika fifanampiana toy ny fizarana sakafo, rano, voakanzo… eny am-pitolomana. Samy mizara y kely ananany. Tsy Antananarivo ihany fa nitohy sy nihamafy ny tolona tany amin’ny Faritra omaly toy ny tany Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Manakara,…
FANJAKANA MIHOSIN-DRA, TSY HISY HATOKY INTSONY…
Miha zava-doza ny fampiasan-kery ataon’ny Fanjakana Rajoelina na teo aza ny fanamelohana samihafa, eny fa hatramin’ny Papa Léon XIV no mampaneno lakolosy noho ny herisetra eto. Ezahana hafenina ny fandatsahan-drà sy faty olona eto. Maninona no manafina mafy sy tsy mamoaka tatitra mazava mikasika isan’ny maty, naratra, vosambotra,… ny Fanjakana ? Tsy nisy an’izany, nandritra izay herinandron'ny hetsika izay, zavatra tsy mbola niseho tao anatin'ny 65 taona. Ny vahiny no mamoaka tatitra fa tsy latsaky ny 22 no maty, fa ny Fanjakana manafina. Noresahan-dRajoelina ny filàna fitoniana, ary raha misy ny rotaka dia mety hahatapaka ny famatsiam-bola maro toy ny avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Raha mbola ho i Rajoelina ihany moa izany no filoha eo : Iza no mpamatsy vola hatoky azy ? Iza no mpampiasa vola ho avy eto manoloana izao fanosihosena ny lalampanorenana sy herim-pamoretana ary fanitsakitsahana ny demokrasia ataony izao ? Iza no mbola hatoky fitondrana mihoson-dra izao izay mitazona fahefana amin’ny alalan’ny rà mandriaka sy faty olona ? Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny « crime contre l’humanité » na heloka goavana momba ny maha olona izay helohin’ny lalàna iraisam-pirenena araka voafaritry ny andininy faha-7 amin’ny Statut de Rome nosoniavin’i Madagasikara ny taona 1998 sy namafisina ny 2008 ny famonoana vahoaka ataon’ny Fitondrana Rajoelina. Mbola hampiady vahoaka amin’ny alalan’ny fanaramana olona hanao sarintsarim-panohanana anio mba hanehoana fa mbola manana vahoaka !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap