airtel

Politique

10-janv-2024

Mihari-Ni-Rencho

“Ny vahoaka mihitsy no hitroatra!”

Sample post image

Arahabaina ny filoham-pirenena fa tonga eo amin’ny toerany indray,

10-janv-2024

hoy ny antoko politika Natiora, ary irariana mba ho taona zina ho azy ity fe-potoam-piasany vaovao ity. Ho an’ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny vahoaka malagasy manontolo koa dia irariana hoy toy izany, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Mirary fahombiazana sy fitahiana ary fahasoavana mirarakompana ho an’ny vahoaka malagasy. Mafy dia mafy tsinona no hiatrehany izao taona izao. Tsy misy miova hatreto ny filoham-pirenena sy praiminisitra. Kely ny herijika ilazana fa hiova ny governemanta. “On ne change pas une équipe qui gagne”, hoy ny fitenenana, na koa hoe tsy fanolo ny ekipa mandresy fa ity anefa ekipa tsy nandresy. Mpikamban’ny governemanta tsy sahy niatrika solombavambahoaka akory. Hiverina ny ankamaroan’ireo. Ny eo ihany no ho eo. Ho mafy dia mafy ho an’ny vahoaka ny fiatrehana ity taona ity ka tsy hisy hahasakana ny tontolon’ny natiora. Nandalo iny ny rivodoza dia efa ireny. Isika olombelona koa anaty tontolon’ny natiora. Tsy ho tana koa, noho izany, ny vahoaka satria ny vola miditra kely, ny fiainana miha midangana. Hafana ny fifanenjanan’ny vahoaka sy mpitondra ary ny mpitondra dia manana ny basiny sy mpitandro filaminana. Tsy maintsy hanao toy ireny tamin’ny depiote 73 ireny izany ny mpitondra eo anatrehan’ny vahoaka. Tsy ny mpanao politika intsony no hidina hanao fitakiana fa ny vahoaka mihitsy satria efa mipaika any am-bilanin’ny vahoaka ny tsy fisiana. Mandeha io ny filaharana jiro. Misy tsy mahazo. Misy manantena 300.000 Ariary ao. Ny fahefa-mividy mihena. Ny vidin’entana tsy maintsy hisondrotra satria miha maivana hatrany ny Ariary. Ny vahoaka mihitsy no hitroatra! Io izao dia mahagaga fa entana efa tonga elaela vao fantatra hoe hay ireto vary ireto efa potika. Tsy manao ny asany ve ny ao amin’ny fadin-tseranana sa iza loatra no tsy manao ny asany, hoy hatrany ny antoko politika Natiora?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap