tour ny faran’ny herinandro teo. Manoloana ny fitarainan’ny mpianatra avy ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina dia nanambara i Siteny R fa ity fitondrana ity no nahitana fitarainan'ireo Mpiasa sy mpianatra betsaka indrindra. Ho averina amin'ny vahoakan'i Toamasina ny heriny teo aloha ka ho arodana ny fanjakana mampivangongo fahefana ao amin’ny foibe, hoy ihany koa izy. Mbola nampiany fa ho averina isaky ny kaominina ihany koa ny vola 52 tapitrisa dolara nomena ireo kaominina andalovan'ny tetikasa Ambatovy . Nanotrona ny kandida laharana faha 13 tamin'ny Mihava tour tao amin'ny Stella Maris Toamasina omaly alahady moa ny minisitra téo aloha sady mpandrindra rejionalin'ny Pro Siteny Johanita Ndahimananjary, sy ireo solombavambahoaka anatin'ny Mihava tour. Betsaka ny zavatra manpangetaheta ny vahoakan'i Toamasina hoy ny mpandrindram-paritry ny pro Siteny Toamasina Dr Johanita Ndahimananjary nandritra ny Mihava Tour tao an-toerana. Isan'ny efa nandrasan'ity renivohitry ny faritanin'i Toamasina ity hoy izyhaha faritany mizaka tena ny faritanin'i Toamasina. Ny depioten’Ampanihy andrefana Keron Idealson kosa dia nanaazava nandritra ny lahateniny fa : miainga any amin'ny faritany ny fampandrosoana ny firenena hoy ny solombavambahoakan'Ampanihy saingy tsy mizaka ny zo omen'ny lalampanorenana azy hizaka tena ireny faritra ireny.Tsy nitsitsy fitenenana ny mpandrindra nasionaly ny Pro Siteny, Jean Jacques Rabenirina ary nahitsy nanambara fa lainga no afafin'ny mpitondra amin'izao sy ny mpomba azy izay milaza fa avy amin'ny TGV ireo mpiara-dia amin'i Siteny Randrianasoloniaiko.Tsy marina velively izany , hoy izy ka aoka tsy hifanaso-potoka. Nanamafy ny moa i Jean Jacques Rabenirina fa mpaka tahaka an'i Siteny Randrianasoloniaiko ny filoha Téo aloha Andry Rajoelina.
ZAVATRA HO TANTERAKA
Fa tany Mahanoro kosa na dia teo aza ny orana dia raikitra ny Miha tour, Betsaka ny olona efa manomboka kivy amin'ny mpanao politika hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana ihany no antoka omena ny vahoaka ao anatin'ny programan'asa fa tsy fampanantenana tsy ho tanteraka hoy ity kandida laharana faha 13 ity. Io no vahaolana tokana hampahaleo tena ny eny ifotony, isan'izany ny fanomezan-danja ny vokatra lavanila avy ao Mahanoro hoy izy. Ity sehatra ity izay nitontongana ho 700 Ariary amin'izao fotoana izao ny kilao raha 1 Tapitrisa Ariary izany taloha.Manoloana ny fitarainan ‘ny vahoakan’i Mahanoro amin’ny fahafosan’ny vidim-piainana sy ny olan’ny famatsiana herinaratra dia nilaza ny kandida laharana faha 13 fa efa manana vahaolana ho an'izany i Madagasikara saingy tsy nanana finiavana ny fanjakana hampihatra azy. Be loatra ny fitaka nataon'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, indrindra ireo fampanantenana tsy tanteraka tao amin'ny distrikan'i Mahanoro hoy kosa ny solombavambahoakan'i Mahanoro Hubert Rakotoson tao anatin'ny fandraisam-pitenenany ary andrandraina amin'ity kandida laharana faha 13 ity ny fametrahana vahaolana amin'ny alalan'ny fitsinjaram-pahefana.
Nangonin’i RTT
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,