airtel

Politique

21-févr-2023

Politique

Minisitra Andry Ramaroson Tsy naaro azy ny fisolelahana...

Sample post image

21-févr-2023

Tsy voatazona tamin’ny toerany ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson. Iray amin’ireo Minisitra nosokajian’ny mpanara-baovao ho tompon-dakan’ny fisolelahana sy ny fanaovana serasera ho miasa ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo Andry Ramaroson. Nisy hatramin’ny hoe: nalaina sary nanao ladina an-tany tany Andekaleka. Fatratra tamin’ny fanamboarana ny antsoina hoe: “image” na ny fomba hanatsarana ny hitarafan’ny olona azy avy aty ivelany, saingy tany amin’ny vokatra sy ny fahombiazana aloha dia tsy tena hita taratra, raha tarafina tamin’ny delestazy mandavan-taona. Na teo aza izany, isan’ireo Minisitra toa tratry ny fibedesan’ny Filoha teny imasam-bahoaka noho ny resaka delestazy lava. Misy mihitsy aza ny olon’ny fitondrana milaza fa isan’ny nampijabaka ny Filoham-pirenena tamin’ilay filazana fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, araka ilay fampantenana tany amin’ny janoary 2022 I Andry Ramaroson.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap