airtel

Politique

21-mai-2024

Morondava

Nodimandry tampoka ny kandidan’ny Firaisankina Mamy Claver

Sample post image

Nodimandry omaly alatsinain’ny paska 20 mey 2024 ny kandida solombavambahoaka laharana faha-3

21-mai-2024

ao anatin’ny distrikan’i Morondava Atoa Mamy Claver Meryson. Kandida natolotry ny vovonana Firaisankina ny tenany, ary anisan’ny tsara toerana indrindra ho lany, raha ny fanamarihan’ny mponina any an-toerana satria maro ireo olobe sy vondron’olona na fikambanana ary ny vahoaka ao an-damosiny. Tampoka tamin’ireo mpanohana no nandre fa nodimandry tampoka ity kandida ity. Voalaza anefa fa mbola nanao fampielezan-kevitra izy ny takarivan’ny alahady lasa teo. Tsy fantatra mazava moa ny antony nahafaty azy hatramin’ny fotoana nanoratany. Ankoatra ny tontolo politika, dia mpandraharaha ny tenany, efa Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Faritra Menabe ny taona 2008 - 2010. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ireo olona akaiky azy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap