ao anatin’ny distrikan’i Morondava Atoa Mamy Claver Meryson. Kandida natolotry ny vovonana Firaisankina ny tenany, ary anisan’ny tsara toerana indrindra ho lany, raha ny fanamarihan’ny mponina any an-toerana satria maro ireo olobe sy vondron’olona na fikambanana ary ny vahoaka ao an-damosiny. Tampoka tamin’ireo mpanohana no nandre fa nodimandry tampoka ity kandida ity. Voalaza anefa fa mbola nanao fampielezan-kevitra izy ny takarivan’ny alahady lasa teo. Tsy fantatra mazava moa ny antony nahafaty azy hatramin’ny fotoana nanoratany. Ankoatra ny tontolo politika, dia mpandraharaha ny tenany, efa Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Faritra Menabe ny taona 2008 - 2010. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ireo olona akaiky azy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…
Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa