airtel

Politique

17-nov-2023

Mpanara-maso fifidianana SAFIDY

Nihena ny taham-pandraisana anjara

Sample post image

Isan’ireo mpanara-maso ny fifidianana matanjaka ny SAFIDY, izay nanetsika olona hatrany amin’ny 5000

17-nov-2023

tamin’ny Biraom-pifidianana miisa 10000, raha ny tatitra nataon’izy ireo omaly. Ny vokatra voalohany mahakasika ny fizotran’ny fifidianana omaly hatramin’ny 12 ora atoandro niainga tamina santionana biraom-pifidianana miiisa 1400 miparitaka ao anatin’ny faritra 23 manerana an'i Madagasikara, dia nisongadina fa ambany ny taham-pahavitrihana tamin’ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ity 2023 ity. 22,4% ny tahan’ny olona tonga nandatsa-bato voamariky ny SAFIDY hatramin’ny 12 ora antoandro raha 44% izany tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filohampirenena 2018. Ho an’ny Faritanin’Antananarivo no ambany indrindra ny taham-pandraisana anjara tamin’io (Itasy 11,2%, Bongolava 13,0%, Vakinakaratra 15,2%, Analamanga 15,3%. Ny Faritra Androy kosa no ambony indrindra tamin’io tatitra Vonjimaika io, izay 42,5%, Fitovinany 32,2%. Izany dia maneho ny fihenan’ny fahalianan’ny olom-pirenena amin’ny fandatsaham-bato, hoy ny SAFIDY. Hatramin'ny ora nanaovana fanambarana tokony ho tamin’ny 7ora hariva, dia nahatratra 189 ny fanairana voaray tamin’ny laharana maitso ka noraisin’ny foibe manao andrimaso an-tanana, hoy ny tatitra. Araka ny efa voalaza tao anatin’ny fanambaràna voalohany dia mbola nanamarika hatrany ny SAFIDY ny fisian’ny : Tsy fahatomombanana eo amin’ny fampiharana ny rindran-damina ireo mpikambana amin’ny biraom-pifidianana ; Nitombo isa ireo tranga famelàna hifidy ireo olona tsy nanana ny antontan-taratasy feno nilaina amin’izany ; Nisy ihany koa ireo mpifidy izay manana kara-pifidianana na/sy sosy fanamarinana ny fisoratana anarana nefa tsy hita ao anatin’ny lisim-pifidianana. Ankoatra izay dia voamarika ihany koa ny tranga maromaro fanakatonana vetivety ny biraom-pifidianana, hoy ny tatitra. Nahitana delege ana kandida daholo ireo biraom-pifidianana kanefa voamarika ny tsy fahatongavan’ireo delegen’ny mpikambana ao amin’ny “collectif des candidats”. Tsy ahafahan’ny SAFIDY mamakafaka ny fiantraikan’izany eo amin’ny fandatsaham-bato anefa ny angon-kevitra voaray amin’izao ora hitenenana izao, ka mbola hisy fandinihana lalindalina kokoa hatao aorian’izao fanambarana izao, hoy izy ireo. Nanamarika ny SAFIDY, fa ny fanaraha-maso ataon’izy ireo tohanan’ny Vondrona Eoropeanina ara-bola, ka ny votoatin’ny fanambarany dia andraikiny sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena : AIM, PFNOSCM-Vohifiraisana, DRV, YMCA, FTMF, CEDII, MSIS TATAO, ONG Ravintsara, ONG Ivorary sy Alliance Voahary Gasy, kanefa tsy azo heverina ho maneho ny fomba fijerin’ny Vondrona Eoropeanina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap
13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap