airtel

Politique

19-mars-2024

Mpanohana ny filoham-pirenena

Taratra ny ady mangatsiaka

Sample post image

Nanao fanambarana ny fitsanganany tetsy amin’ny Arena Ivandry omaly ny vovonana politika IRMAR

19-mars-2024

na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Antoko politika miisa 13 ao anatin’ny vondrona ARMADA dia ny ADN, AKFM, AKFM Fanavaozana, Avana, Avi, Freedom, GFFM, Hiaraka isika, Liaraike, Maitso, MDM, RPSD, TGV ary ireo mpikambana avy amin’ny antoko Leader Fanilo no isan’ny mandrafitra ity vovonana ity, raha ny fampitam-baovao voaray. Ao anatiny koa ireo fikambanana sy antoko politika miisa 19 ao anaty vondrona politika UPAR ary ireo fikambanana tanora sy fikambanam-behivavy miisa 88 miparitaka manerana ny nosy, hoy hatrany ny fampahafantarana natao omaly. Isan’ny fanamarihana natao moa no hoe tsy manavaka, tsy mialon-jafy saingy na ny fomba nanononana na nandraketana an-tsoratra ireo mpikambana aza anefa dia hahitana taratra sahady izay fanavahana izay. Maninona misy antoko sady tononona ny anarany no tononina ny vondrona misy azy dia maninona ny an’ny sasany no anaran’ilay vondrona fotsiny? Ny sasany aza moa tsy notononina mihitsy fa avy dia noboriboriana tamin’ny hoe fikambanana na fikambanam-behivavy. Na izany na tsy izany dia azo ambara ho vono lolo amin’ireo mpifanandrina politika no narangaranga fa ho hita eo izay ho vokany aloha! Tsy nisy fiovana taratra loatra rahateo ihany koa, raha ny mikasika ireo vondrona sy antoko voatonona voalaza ho mandrafitra ity vovonana ity sa misy antony manokana tokoa ve ny tsy nanononana ny anaran’ireo antoko na fikambanana sasany? Na hita ho ezahana hafenina mafy aza dia taratra ihany ny ady mangatsiaka eo amin’ireo milaza ho mpanohana ny filoham-pirenena ankehitriny raha vao nijery ny firafitr’ilay fanambarana fotsiny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap