airtel

Politique

18-mars-2024

Mpanohitra miatrika fifidianana

Tsy mpifanandrina fa mifameno...

Sample post image

Azo lazaina ho mazava ny resaka eo amin’ny tontolon’ny fanoherana raha ny lafiny

18-mars-2024

politika sy ny fifidianana solombavambahoaka manaraka eo no jerena. Azo ambara ihany koa ho nahavaly ny fanontaniana nanitikitika ny sain’ny rehetra ihany koa iny taorian’ny fisiana fisamahana tao anatin’ny Kolektifan’ny kandida 11 izay niara-dàlana nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, nisian’ny fitakiana ny famerenana ny Fanjakana tan-dalàna, fifidianana madio sy azo antoka, fanajana ny demokrasia. Mazava ny resaka taorian’ny fandaharana manokana nataon’ny Kolekitifa an’ny Malagasy tarihin’ireo kandida 5 mirahalahy mianaka, ny tanjona dia itovizana ho an’ny samy mpanohitra, fa ny làlana hitondrana azy no mety samihafa.
TSY EKENA NY FANJAKANA TSY TAN-DALANA
Tsy mpifanandrina noho izany ireo niara-dia teo aloha fa samy mametraka ny tanjona, ary iraisana ny hoe : mila hatsahatra ny Fanjakana tsy tan-dalàna. « Tsy maika hametraka olona amin’ny toerana etsy sy eroa ny Kolektifa an’ny Malagasy, fa miainga avy any ifotony ny fanapahan-kevitra, tsy manam-pikasana mihitsy hameno ilay toerana manontolo, ilay 120 distrika satria ny tanjona tsy hifaninana samy mpanohitra na hanao fampideran-kery samy mpanohitra. Fanovana be ilay izy satria isika taloha dia hoe : andao hifaninana, ka eto isika tsy maintsy mifanampy ahafahana tonga amin’ilay hoe : ny mpanohitra no tonga manana ny maro an’isa ao amin’ny antenimierampirenena. Tena tsy maintsy miova ilay fomba fijery, tsy fandeferana fa fibanjinana tanjona iray ho an’ny firenena. Najanona ny hambo-po ka nahatonga anay mandinika tsara hoe : aiza isika no hametraka mba tsy ahafahana mifanelingelina amin’ny namana mpanohitra mitovy amin’ny tena », hoy i Tahina Razafinjoelina. Nanamafy ihany koa i Hajo Andrianainarivelo, fa « tsy maka fahavalo ary namanay daholo ireo eo amin’ny fanoherana ireo, fa ny tanjona sy làlana makany amin’ny fanovana no mety tsy hitovizana, fa ny tanjona iombonana dia ny fampitsaharana ity fitondrana tsy tan-dalàna ity, ary hahatongavan’ny olona aty amin’ny fanoherana rehetra ao ao amin’ny fanapahana sy fanintsiana ny lalàna hoentina hitantanana ny tany sy ny Fanjakana rahampitso ». Mazava ny resaka raha raisina amin’ireo, ary azo lazaina ho mitombona ilay sary politika hoe : « tir croisé » ataon’ny samy mpanohitra miantefa amin’ny antokon’ny fitondrana mba hahazoana izay maro an’isa eny amin’ny antenimiera izay. Mazava ny sary amin’ny hisiana fanambarana ny hery eny amin’ny Antenimierampirenena mba hisian’ny fifandanjan-kery na « rapport des forces ». Samy miandry izay ho fisehony aloha izany ny rehetra satria samy eo am-piketrehana ho masaka ny paikadiny avy ireo eo anivon’ny fanoherana na samy manana ny làlany hahatongavana eny Tsimbazaza aza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap