airtel

Politique

12-déc-2024

MPIFIDY TAO AMPITATAFIKA

Nitombobe raha oharina tamin’ny teo aloha

Sample post image

Tena navitrika ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra tao anatin’ny Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano

12-déc-2024

nihazakazaka nandatsa-bato omaly Alarobia 11 Desambra. Nitombobe izy ireo hoy ny Kandidan’ny TIM Rado Ramparaoelina raha oharina tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka teo ka tena mahafaly tokoa. Omaly tamin’ny 04 ora sy sasany hariva moa no tonga nandatsa-bato tao amin’ny EPP Ampitatafika vaovao ity Kandida iray ity. Nambarany fa nilamina ny fizotry ny fifidianana tao amin’ny faritra nisy azy tamin’ny ankapobeny ary manantena ny handresy izy. Na dia teo aza mantsy hoy izy ny fanaratsiana totoafo nataon’ny sasany nandritra ny fampielezan-kevitra izay tena nisy fotoana lavalava tokoa dia mba nanam-potoana nanazavana sy nitondrana ny tena marina teo anatrehan’ny vahoakan’Ampitatafika ihany koa Rado Ramparaoelina. Anisan’izany ny mikasika ilay tany ao Malailay izay tanim-panjakana ary voahodin’ny sasany ho amin’ny anaran’olon-tsotra. Tsy misy soniako izany hoy ity Kandida Ben’ny tanana ity noho izany tsy misy hidirako.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina Ben’ny tananan’Ampitatafika nandritra ny fandatsaham-bato notanterahiny omaly !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap