airtel

Politique

12-déc-2024

MPIFIDY TAO AMPITATAFIKA

Nitombobe raha oharina tamin’ny teo aloha

Sample post image

Tena navitrika ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra tao anatin’ny Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano

12-déc-2024

nihazakazaka nandatsa-bato omaly Alarobia 11 Desambra. Nitombobe izy ireo hoy ny Kandidan’ny TIM Rado Ramparaoelina raha oharina tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka teo ka tena mahafaly tokoa. Omaly tamin’ny 04 ora sy sasany hariva moa no tonga nandatsa-bato tao amin’ny EPP Ampitatafika vaovao ity Kandida iray ity. Nambarany fa nilamina ny fizotry ny fifidianana tao amin’ny faritra nisy azy tamin’ny ankapobeny ary manantena ny handresy izy. Na dia teo aza mantsy hoy izy ny fanaratsiana totoafo nataon’ny sasany nandritra ny fampielezan-kevitra izay tena nisy fotoana lavalava tokoa dia mba nanam-potoana nanazavana sy nitondrana ny tena marina teo anatrehan’ny vahoakan’Ampitatafika ihany koa Rado Ramparaoelina. Anisan’izany ny mikasika ilay tany ao Malailay izay tanim-panjakana ary voahodin’ny sasany ho amin’ny anaran’olon-tsotra. Tsy misy soniako izany hoy ity Kandida Ben’ny tanana ity noho izany tsy misy hidirako.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina Ben’ny tananan’Ampitatafika nandritra ny fandatsaham-bato notanterahiny omaly !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap