fotoana izao ny hanana mpitarika na «leader» sahy sy mahitran-tsaina. Tsy ny fanehoan-kevitra samihafa hita eny amin’ny tambazotram-pifandraisana samihafa eto amin’izao tontolo izao ihany no hahatarafana ny filàna izany fa na ireo tranga iraisampirenena tato ho ato toy ny lesona nomen’ny filoha amerikanina, Donald Trump, ireo mpitondra aty Afrika, izay raha fintinina dia milaza mazava fa tsy alehany ny mpitarika na mpitondra aty Afrika. Variana manao ampihimamba ny harem-pirenena tokony ho an’ireo vahoakany. Hananan’i Afrika avokoa na volamena na vatosoa na andramena na harena an-dranomasina na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany kanefa dia izy ireo indray no mangataka any amin’ireo firenen-kafa tokony hangataka aminy tahaka an’i Etazonia. Inona tokoa moa no tokony hahaory na hampahantra indrindra an’izany Madagasikara izany eto ambonin’ny tany kanefa hananany avokoa izany karazana harena voajanahary rehetra izany? Mbola tsy mila mitanisa ireo harena tokony ho antsika any amin’ireo nosy manodidina, izay nambaran’ny antoko politika Otrikafo fa tokony hanodidina ny 260 isa eo akory aza ao anatin’izany rehetra izany. Thomas Sankarà tao Burkina Faso, Mahatma Ghandi tao Inde, Richard Ratsimandrava sy ny Vatoekany teto Madagasikara. Mety mbola hisy hahavita be noho ity farany ve?
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,