airtel

Politique

24-nov-2023

Mpitarika sendikaly

Tadiavina hampanginina, mba tsy hitolona intsony…

Sample post image

Tena ao an-damosin’ny Filohan'ny SECES, Pr Ravelonirina Sammy Gregoire sy ny Sekretera jeneralin'ny Randrana

24-nov-2023

Sendikaly Rakotomanga Barson, noho ny fisamborana sy fitazonana vonjimaika azy ireo ny fivondronamben’ny sendika eto Madagasikara, sy ny mpianatra. Nirodorodo tonga nanotrona sy niandry ny fahatongavan'izy teny Anosy moa omaly ireo solontenan'ny mpianatra, ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra avy amin'ny Sendika SECES sy ireo mpitarika sendikalista hafa. Nambaran'izy ireo fa tsy azo ekena ny fanenjehana sy ny fanaovana antsojay ireo mpitarika sendika ; olona nanatitra taratasy ve dia lazaina fa manohintohina ny fiandrianam-pirenena, hoy izy ireo. Miantefa amin’ny fanjakana ny antsonay hoy i Andrianavalona Herizo, filohan’ny Firaisankinan’ny sendika (SSM) teny Anosy omaly ny amin’ny tokony hametrahana fitoniana eto. Antenaina ihany koa fa mba hilatsahan’ny fanahy masina ireo mpitsara ka tena hitsara araka ny lalàna , araka ny rariny sy ny hitsiny tokoa fa tsy handray baiko, fa tsy mety izany hoy izy. Nahoraka omaly fa nisy karazana delegasionina nihaona tamin’i Pr Ravelonirina Sammy Gregoire sy Rakotomanga Barson ka hoe nandresy lahatra azy ireo mba hangiana, tsy hiteny intsony dia ho foanana ny vesatra hanenjehana azy ireo. Raha tsorina ny resaka dia noresena lahatra, sa ve noterena izy ireo mba hampitony ny resaka fitakiana sy fitokonana ataon’ny sendika, ary mba hangiana kely aloha. Anio zoma no fantatra fa hoe hiatrika ny fampanoavana izy ireo ka ho hita eo.
Legende : Ireo sendikalista tonga teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly
(Sary : Lalaina Rav)
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap