airtel

Politique

26-mars-2024

Mpitondra manandrakandran-doza

Mikasa hanagadra ben’ny tanànan’i Diego…

Sample post image

Nosamborina tao Maevatanana ny ben’ny tanànan’I Diego Atoa Dzavodjara Jean Luc ny andron’ny omaly,

26-mars-2024

hoy ny resaka niely omaly, izay nifamahofaho tanteraka. Voalaza fa an-dàlana hihaona amin’ny Banky iraisam-pirenena aty Antananarivo no nosamborina izy sy ny mpamiliny ary ny mpiambina azy. Nisy ihany koa anefa ny feo hafa nilaza fa ny mpamily sy ny mpiambina no voasambotra. Olana politika amin’ny olon’ny fitondrana no heverina fa ho antony noho ity farany atahorana amin’ny fifidianana, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa. Ity ben’ny tanàna ity izay voasokajy ho isan’ny ben’ny tanàna tena miasa ary mampivoatra an’i Diego. Noho izany dia hitadiavana fomba hamelezana azy. Saika fanohanana io ben’ny tanàna io avokoa tetsy andaniny ny fanehoan-kevitra nataon’ny vahoakan’Antsiranana sy ny mpanara-baovao politika. Tsy vao sambany ihany koa no nohetraketrahina ity ben’ny tanàna ity, ka anisan’ny nanao izany depiote Jocelyne Rahelihanta Filoha lefitry ny Antenimierampirenena izay tsaroan’ny rehetra tsara ilay fisokirana orona polisy monisipaly taona vitsy lasa izay. Vao ny 8 martsa teo indray, nifamaly ampahibemaso ny Ben’ny tanàna sy ny Goverinoran'ny Faritra DIANA Rakotomanga Taciano. Mahakasika ny fandaminana ny fampiasana toerana hanaovana ny fankalazana ny 8 marsa ao an-tanàn'Antsiranana iadidiany no mahasarotiny ny Ben’ny tanàna Djavodjozara Jean Luc amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy. Mila manao fangatahana an-tsoratra hoy izy, fa izay no fanao amin’ny lafiny “administratif”, raha toa ka nilaza ny ragova fa ny Préfet solontenam-panjakana no mandrindra izany, izay resaka am-bava fa tsy nisy taratasy. Asa na misy ifandraisany amin’ireny na ahoana fa ny azo antoka dia tena mamim-bahoaka ao Antsiranana ity ben’ny tanàna ity ka manahirana ny sasany. “Efa ela no niely tato aminay ny feo fa tadiavina ny hanagadrana an'i Atoa Jean Luc Djavojozara, ben’ny tanànan’I Diego. “Populaire” be mantsy izy ka atahorana tsy hahazo amin'ny fifidianana depiote sy ny ben’ny tanàna ny laoranjy! Tsy nisy anefa ny dosieny tato aminay fitsarana Diego jiaby!!! Tany amin'ny PAC Majunga no.nisy mahakasika ny famarotana korontam-by sisan'ny fiaran'ny kaominina, saingy efa ela anefa io ary tsy namokatra ka tsy nahavoatana an'i Maire. Ankehitriny dia nosamborina tao Maevatanana i maire ary dia hogadraina araka ny baikon'ny M….!”, hoy ny loharanom-baovao avy amina mpitsara ao Antsiranana. Raha ny vaovao farany azo farany omaly hariva, dia voalaza fa efa any amin’ny toerana azo antoka ity ben’ny tanàna ity, ka mety mampitombina an’ilay hoe: ny mpamily sy ny mpiambina no voasambotra fa izy mety efa nahazo loharanom-baovao mialoha ka tsy tao anatin’ny fiara izay nisy ny sary famantaran’ny Kaominina ambonivohitr’I Diego. Ny hetraketraka sy fikasana hanagadra ity ben’ny tanàna ity ve no heverina fa paikady hahomby handresena azy? Omaly dia efa nafampana ny tany Antsiranana ary sesilany ny fanehoana fanohanana ity ben’ny tanàna ity ka moa tsy manandran-doza sy vao mainka mandrehitra afo sy manao izay hankahalan’ny vahoakan’Antsiranana azy ny mpitondra raha hihetraketraka sy hanagadra ity ben’ny tanàna ity?
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap