hatrany amin’ny 11ora alina mbola tsy niverina. Nihoatra lavitra noho ireo efa nofaritan’ny Jirama. Nilaza moa ny Jirama fa misy fahatapatapahana matetika ny herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo noho ny tsy fahafenoin'ny tanjaky ny herinaratra mahery vaika ao Ambohimanambola mitondra herinaratra mamatsy ny tranon-jiro ao Ambodivona, Tana-Ouest, Ambohijatovo, Mandroseza sy Tana-Sud. Nambara tamin’izany fa an-dalam-panarenana ny tsy fahatomombanana ny teknisiana ka aorian'izany dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana vatsian'ireo tranon-jiro ireo. Maro no efa tsy mino intsony ny fanazavan’ny Jirama. "Ny jirama moa dia manararaotra ny orana sy ny varatra hanaovana delestazy, toy ny banga mihomehy alina.", hoy ny Filohan'ny HCC teo aloha Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Izy izay efa nilaza herinandro nialohan’io fa efa niova ho DEMATA (Delestazy Mandava-Taona) ny Jirama. Etsy ankilany, mampantena lava ny anjara asan’ny Fanjakana. Efa niaiky ankolaka aloha izany ny Filoha Rajoelina, fa lainga variraraka ny nilazany tamin’ny Propangandy fa hanao 400MW izy mandritra ny 5 taona, efa nilaza ihany koa ny 10 janoary 2022 fa mila miafy kely Antananarivo fa ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Nolazain’ny Minisitry minisitry ny angovo fa aorian’ny fametrahana milona faha-4 na G4 tao Andekaleka. Ankehitriny kosa, milaza fa hatramin’ny 2028 no foana tanteraka. Ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato, nilaza ny Minisitry ny angovo Andry Ramaroson fa ny tahan'ny vahoaka Malagasy hisitraka herinaratra amin'ny taona ho avy dia hahatratra hatrany amin'ny 43% raha toa ka 26% izany hatramin'ny faran'ity taona ity. Mahakasika ny kits solaire dia 20.000 no voazara teto Madagasikara tamin'ny taona 2019 ary ho tafiakatra 220.000 any ho any ny hisitraka izany amin'ity taona ity. Momba ny fampisitrahana herinaratra any amin'ny tontolo ambanivohitra indray dia ho tafiakatra hatrany amin'ny 530 ny kaominina hisitraka herinaratra eto Madagasikara. Mahakasika ny « hydroélectricité » dia ho tafiakatra hatrany amin'ny 652MW ny taham-pamokarana herinaratra eto Madagasikara amin'ny taona 2028. Averimberina foana, fa ny ny tetikasan’ny Filoha teo aloha Rajaonarimpianina no tena herin’ireo dia i Sahofika manodidina ny 200MW sy ny Volobe 120MW.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,