ataona manam-pahefana ambony, miainga any an-tampony ka hatrany ambany, na olom-boatendry na olom-boafidy. Mila ho isan’andro no haharenesana afera maloto samihafa mahasaringotra sy ahenoana anarana olona ambony: fanodinkodinana volam-panjakana, trafikana harem-pirenena, fitondran-tena tsy mendrika, hadisoana goavana ara-pitantanana sy ara-panapahan-kevitra,… Taiza hatramin’ny naha tany ny tany no nisy hoe: volamena any anaty biraon’ny minisitera manjavona fa tsy misy tohiny? Tsy ny olon’ny mpanohitra no hahavita an’ireny, fa ny tao anatiny tao ihany, saingy vitavita ho azy. Aiza ao anatin’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana no milaza sy manamarina fa afaka mamoaka fahazoan-dàlana hitaona sy hitatitra hazo sarobidy ny depiote saingy misy an’izany ankehitriny. Taiza no mbola misy hoe: depiote no mandefa iraka hanao fanagiazana harena an-kibon’ny tany? Betsaka ny afera izay mahasaringotra olona ambony, raha tsy hilaza afatsy ny raharaha famotehana ny Air Madagascar, ny fambotriana sy fanodinkodinana volan’ny CNaPS, ny afera maloto tao amin’ny seranantsambon’I Toamasina,… Toa mialokaloka ao ambany elatr’I Rajoelina ireo mpanao afera sy mafia, saingy tsy sahiny kitihina na manala baraka azy sy ny Fanjakana aza. Hararaotina hanaovana afera maloto samihafa ny fahefam-panjakana. Iny indray ny raharaha ara-diplaomatika izay nivoaka ny vaovao fa tsy nahazo tsodrano tamin’ny filoha sy ny praiminisitra ny latsa-bato nanamelohana an’I Rosia. Zava-doza izany, ary midika fa efa misy olona mandrefy sy mandingana an-dRajoelina anie izany ao anaty Fanjakana e! Efa misy mitondra tena ho ambonin’ilay Filoham-pirenena, izay midika fa maty hasina ny fiandrianam-panjakana, tsy to teny sy vingavingain’ny olom-peheziny ilay Filoham-pirenena. Tsy efa midika ve izany fa tena tsy voafehin-dRajoelina intsony ny olony sy ny Fanjakana? Manginy fotsiny ny ady an-trano sy fifanenjehana eo amin’ny samy mpitondra raha tsy hilaza afatsy ny depiote sy minisitra sasany. Ireo aza manahirana an-dRajoelina sy tsy hitany izay hatao ka atao mahagaga ve raha ambony ambany tahaka izao ny fitantanana ny firenena?
Toky R
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,