Tongava aty mitari-tolona fa tsy any no be vava eo!», santionany amin’ireo karazam-panehoan-kevitra fanaon’ireo mpisehatra anaty tambazotran-tserasera avy amin’ny fitondram-panjakàna malagasy sy ireo mpanohana izao fitondràna izao tsikaritra matetika manoloana ireo fanehoan-kevitra ataona olo-malaza an-tambazotran-tserasera mipetraka any an-dafy ireo, indrindra, rehefa mahakasika ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Tsy isalasalana ny milaza fa tena manelingelina ny mpitondra sy ny mpanohana azy ireny karazana sarinteny na «sarcasme» sy ampamoaka ataon’ireo olo-malaza malagasy monina any am-pitan-dranomasina ireo matoa misy ny fanenjehana nahazo ny sasany tamin’izy ireny tahaka izay nahazo an’ilay mpahailalàna, Fanirisoa Ernaivo, farany teo. Tahaka izany ihany koa i Koto Lilahimahitsoambo, Vanessa Manonga,… Isan’ny fanontaniana mipetraka koa nefa etsy ankilany ny hoe mba misy lesona raisin’ilay fitondràna ihany ve amin’ny ranty na «live» ataon’ireny mpitsoka maneno na «influenceur» ireny sa dia ho raisina ho mpanohitra fitondràna ihany koa izy ireny? Tsikaritra ho tsy mahalala firehana afa-tsy mpanohitra sy mpanohana rahateo moa ny ankamaroan’ny mpitondra sy mpanohana fitondràna eto, eny, na ny mpanao politika amin’ny ankapobeny mihitsy aza. Asa hoe firy isan-jaton’izy ireo no mahay manazava hoe inona no atao hoe hery ankavia na hery ankavanana na hery afovoany sy ny hafa tsy voatanisa? Raisin’ireo mpitondra ho fanakianana be fahatany na fanaratsiana be fahatany ilay fitondràna avokoa ve ny ranty ataon’ireny hoe «influenceurs» malagasy mipetraka any an-dafy ireny sa mba misy mahatonga saina azy sy ekeny ho misy marina ihany?
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny