Hatreto mantsy dia mbola lalan-dratsy tsy hifankahitana hifampitoloman’ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 no hifamezivezen’ireo mponina manerana ny kaominina 31 isa, antony mampihitsoka tanteraka ny foto-piveloman’izy ireo. Raha tsiahivina anefa dia anisan’ny tanana mpamokatra jirofo, kafe, lavanila ary dipoavatra ny distrikan’i Vangaindrano. Ny kandida Iababan’i Komando laharana faha-6 natolotry ny Antoko Fanorolahy noho izany no hitan’izy ireo fa afaka hamaly izany hetahetany izany rehefa nitafa sy nidina ifotony teny anivon’ireo Fokontany rehetra. Hanatanteraka faradoboka ao Mahatangy ity kandida iray ity anio Alatsinainy 27 May. Hiantso ireo feno 18 taona rehetra izy mandritra izany mba samy handatsa-bato afaka rahampitso Alarobia 29 May hanatanterahana ny fifidianana.Ny fahantrana no fahavalontsika ka mila mandresy ny kandida fanorolahy Vangaindrano ho an'ny tanindrazana. Mila manova rivotra vaovao isika ka hamboly ary hamokatra ho an' ny tombotsoam-bahoaka eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa mpias'angady, zanatany ary mpanao asa sosialy Iababan’i Komando na i Mpanandihy.
Pati
Legende : Ny kandida Iababan’i Komando sy ny filohan’ny Antoko Fanorolahy Randrianary Jose !
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny