airtel

Politique

19-nov-2024

Nahitsy ny MMM

« Mpitondra tsy mijery izay mahasoa vahoaka fa mieboebo fotsiny »

Sample post image

Tsapa fa variana amin’ny fieboeboana ny mpitondra fa tsy mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka

19-nov-2024

hoy ny Antoko Malagasy Miara-Miainga omaly alatsinainy teny Ankerana. Porofon’izany ny firafitry ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2025 izay andaniana vola 600 miliara Ariary ho an’ny Autouroute eo anatrehan’izao fahasahiranam-bahoaka mavaivay izao : vidin-javatra lafo, jiro sy rano tsy misy. Voamarina hatrany ny tsy fahaiza-mitantan’i sy ny tsyfahaizana misafidy laharampahamehana
AUTOROUTE NO MAHAMAIKA
Efa izao ny toerana misy ny firenena, mbola tsy mahay manavaka ny laharam-pahamehana sy ny tsy laharam-pahamehana ihany ireo mpitondra hoy i Hajo Andrianainarivelo filoha nasionalin’ny MMM. Ao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025 io, na atambatra azany volam-panjakana omena ny Minisiteran’ny fampianarana ambony izay manodidina ny 17 Miliara Ariary, ny Fanabeazam-pirenena izay manodidina ny 62 Miliara Ariary, ny Fahasalamam-bahoaka, 40 Miliara Ariary , ny an’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana 16 Miliara Ariary dia tsy mbola ampy ny antsasaky ny vola laniana amin’ny Tetikasa Autoroute Antananarivo Toamasina, izay mitentina 611 Miliara Ariary.
MILA MIVERINA AMIN’NY ARA-DALANA
Azo atao ny manohy ny « appel à manifestationd’interet » izay efa natomboka kahanatanterahana io tetikasa io amin’ny alalan’ny 3P na ny Partenariat Public Privé toy ny fanao eran-tany mikasika ny tetikasa Autouroute hoy hatrany ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Fiverenana amin’ny ara-dalàna izany, fa ihany koa fitsinjovana ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana. Amin’izay fotoana hisy akony mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ny volam-panjakana araka ny fomba fijerin’ny antoko MMM hatrany.
MIANTSO FANDRAISAN’ANDRAIKITRA
Miantso ireo Solombavambahoaka sy Loholona arak’izany ity antoko ity, handinika sy hamakafakana ary mba hahay hisolo vava ny vahoaka tokoa eo anatrehan’izao olana ara-tsosialy, herinaratra sy rano izao ka hikatsaka ny tombotson’ny daholobe.Ankoatra izay, miantso ireo rafitra mikarakara ny fifidianana, tomponandraikitra sy ireo rafi-pitsarana isan’ambaratongany hanao ny asany araka ny tokony ho izy sy manaraka ny lalàna hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ity Antoko ity. Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, izay mandray anjara ary manana kandida Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna manerana ny Nosy.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap