airtel

Politique

13-avril-2023

Politique

Naina Andriantsitohaina Mampitombo ny serasera fitetezan-tsena

Sample post image

Tsikaritra tato ho ato, fa miezaka mampitombo ny fitetezan-toerana sy tsena eto Antananarivo ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina.

13-avril-2023

Raha kianin’ny olon’ny fitondrana i Marc Ravalomanana amin’ny fihetsika tahaka izao, dia efa tsy izy irery intsony izao no manao tahaka izany fa misy hafa. Mihaino sy mifampiresaka amin’ireo sokajin’olona samihafa, mba hanehoana fa tena akaiky ny vahoakan’Antananarivo, ary mitady vahaolana ho azy ireo amin’izao andalam-pifaranan’ny taom-piasana izao. « Tonga nijery ny zava-nisy teny amin’ny tsenan’ny voninkazo Anosy sy ny tsenan’ny Soamanatombo ny tenako. Nitafa sy nihaino ny fitarainan’ireo mpivarotra teny amin’ny tsenan’ny voninkazo aho, ka hisy ny fandaminana eny amin’iny faritra iny ho fanatsarana sy fanadiovana ny toerana, toy ny fandaminana ny toby fiantsonan’ny fiara mankany Imerintsiatosika, ny fandaminana ny tsenan’ireo tantsaha », hoy ny ben’ny tanàna. Hisy ihany koa, hoy izy, ny fanatsarana ny « parking » izay hatao ho tantanin’ny Fikambanana eny an-toerana manomboka eo amin’ny lalamby hatrany amin’ny HJRA. Raha ny teny amin’ny Tsenan’ny Soamanatombo indray dia nambara fa maro ihany koa ny fangatahan’izy ireo, toy ny fampitomboan'ny « parking », ny fampidirana ny jiro sy ny rano ao an-tsena, ary ny hanasiana Polisy Monisipaly mba hisian’ny fandriam-pahalemana kokoa. Manoloana izany, nampanantena ity ben’ny tanàna ity, fa hisy ny vahaolana entina hanatsarana ny tsena sy hamaliana ny fangatahan’ireo mpivarotra, fa entanina kosa izy ireo hahay hifandamina sy hanaja ny toeram-pivarotany. Tena miezaka maneho an-tsary ny ben’ny tanàna fa akaiky ny vahoaka, mahay mitakosina, ary mitondra vahaolana,… Efa akaiky tokoa ve ny fiafaran’ny taom-piasana ka tsy maintsy mba alaina indray aloha ny fon’ny olona ? Raha ny resaka fitantanana ny tanàna mantsy, ekena fa mety nanao izay heveriny fa ezaka ny ben’ny tanàna sy ny ekipany fa moa tena araka ny nampanantenaina tamin’ny propagandy ve? Moa araka ilay fomba firesaka tamin’izany fa raha tiana handroso ny tanàna dia olona iray antoko amin’ny fitondrana no fidiana ? Manao ahoana ny fahadiovan’Antananarivo, ny làlana, ny fotodrafitrasa,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap