Naivo Raholdina, sy ny mpiray lisitra aminy amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho tanterahina ny 29 may 2024 dia ny kandida Naivo Raholdina nolahalaharana na «numero 1» amin’ny filaharan’ny kandida tamin’ny fisarihana, hoy ny fampitam-baovaon’ity kandida solombavambahoaka ao amin’ny boriboritany faha 5 ity omaly. Voasarika, hoy izy, ny laharana voalohany, araka ny tenin’Andriamanitra hoe «Ho lohany fa tsy ho rambony.» ka ho voalohany hatrany ny boriboritany faha 5, hoy hatrany ny tenany. Tetsy an-kilany, nandritry ny fampiofanana momba ny fahadiovana sy fidiovana nataon’ny PDS an’Antananarivo renivohitra ny amin’ny fanentanana ny sekoly rehetra hitandro izany no nanoloran’ity filoha lefitry ny antenimieram-pirenena misahana ny faritanin’Antananarivo ity sy ny vadiny vola mitentina 6 tapitrisa Ariary nozaraina tao amin’ny EPP sy CEG ary Lisea Nanisana. 2 tapitrisa Ariary amin’izany no ody am-bavafo ho an’ireo mpianatra nanatrika ny fiofanana. 1 tapitrisa Ariary hanaovana fanadiovana faobe ny sekoly. 3 tapitrisa Ariary no natolotra ho an’ireo mpianatra mendrika voalohany nahazo naoty ambony indrindra ka samy nahazo 1 tapitrisa Ariary avy izy 3 mianadahy nahazo naoty ambony. Nampahatsiahy ny asa vitany ity depiote ity ary nilaza fa isan’izany ny fanaovana ho rarivato ny lalana mankany amin’ny lisea Nanisana izay lalan-dratsy namotaka teo aloha. Satria ny CEG Nanisana no CEG lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe indianina ary mirefy 5ha mahery dia efa nisy ny fanatsarana sy fanavaozana izany izay mitentina 150 tapitrisa Ariary tamin’ny alalan’ny volan’ny CIAD ary ho tokanana afaka herinandro, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.
Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa
Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso
Tonga amin’ilay soratra masina hoe «Izay ataonareo amin’ireny madiniky ny Tompo
Tsy misy ary tsy hisy Firenena handroso ao anatin’ny tsy fanajana lalàna sy Fanjakana tsy tan-dalàna izany.
Notontosaina omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely,