Tanora iray vao erotrerony no nsamborina omaly teny Antanimbarinandriana. Anisan’ireo nandositra noho ny fanapoahana lakrimozenina sy tifitra hatrany anelakelan-trano ka na mpanao fihetsiketsehana na olona mipetrapetraka fotsiny lasibatra, hany ka nisafidy hiditra tao amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Narahin’ny « forces » avy amin’ny GSIS tao, ka nambara fa sao dia poizina ireo any aminy, nambara fa misy cocktail molotov, nambara fa nitondra grenady… Niezaka nanda izany hatramin’ny farany sy nandohalika ity tovolahy ity izay nilaza fa mpivarotra fiara tsy lavitra eo, saingy nosamborina, ary nentin’ny GSIS,… Raha ny fahitana ny tranga tao anatin’ny fotoana fohy fa tsy nandinika ela, dia sac fitondrana rano, fitaovana fanao amin’ny orona ialana amin’ny fahaseporana,… no isan’ny teny aminy, fa ny « forces » izay tena nisambotra azy kosa nahita fa misy fitaovam-piadiana ka dia ny famotorana sy ny fitsarana raha mety ho tonga hatrany amin’izany no mety hamaritra azy. Asa raha efa navotsotra izy na mbola tazonina ?
Toky R