airtel

Politique

11-avril-2024

Nampitandrina I Rossy

“Atsaharo ny fikitikitihana sefom-pokontany tsy hisian’ny savorovoro…”

Sample post image

Nanao fampanenoana lakolosy sy fialan-tsiny noho ny hamehana niantefa

11-avril-2024

tamin’ny Prefen’Antananarivo sy ny Filohan’ny delegasionina manokana, ary ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo faha-4 ny Depiote Rahasimanana na Rossy. Nampita ny tsy fanarahan-dalàna mibaribary sy mioampampana ataona tompon’andraikitra ao amin’ny firaisana faha efatra, mety hiteraka korontana ity depiote ity, ka niantso ireo tompon’andraikitra mahefa mba handray andraikitra mba ho fampitsaharana izany haingana. «Vorian’ny kandida ho solombavambahoaka roa ka rahonany ny sefo fokontany, ny « secrétaire » ary ny « tresoriers » amin’ny 32 fokontany fa izay tsy miditra manaraka azy ao amin ny fikambanan’izy ireo dia « abrogé » na miongana amin’ny herinandro ambony. Nanao famindram-pahefana tsy ara-dalàna tao amin ny firaisana fahaefatra ny « candidate » iray ka ny vadin’ny « première liste » no natao delegen’ny ben’ny boriborintany », hoy I Rossy. Nahitsy noho izany ity farany nilaza fa izany rehetra izany raha tsy atsahatra amin’izao akaiky fifidianana izao dia hinoana fa hiteraka korontana sy savorovoro fa tsy misy hanaiky izany moramora eto ary sanatria hanaraka izany ihany koa ireo boriboritany dimy hafa. Nomarihiny fa ireo olona rehetra ireo ihany no niasa tamin’ny fifidianana filoham pirenena ary tsy nisy nahazo na fitarainana na fitoriana fa nahazo « félicitations » aza fa nizotra nilamina sy tsy nisy rahoraho ny tao amin’ny Boriboritany fahaefatra. Nilaza io depiote io fa hotaterina any Amin ny HCC ihany koa izao toe javatra sy fitarainana izao ho fampahafantarana. Voatery nanao izany tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny WhatsApp io depiote io noho ny tsy fahazoana ny tsirairay tamin’ny antso an-taroby toy ny mahazatra azy, raha ny fanamarihany. “Aleo handeha amin’ny marina sy ara-dalàna fotsiny ary samia matahotra an’Andriamanitra”, hoy hatrany ny Depiote Rahasimanana Paul Bert izay mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Manamafy ny ahiahy amin’ny mety ho tsy fahadiovan’ny fifidianana ny tranga tahaka itony, ary heverina fa tsy tranga maningana, fa paikady politika hoenti-mampandresy kandidam-(panjakana). Maro rahateo ireo toerana nihazakazahana ny nanolo sefom-pokontany mialohan’ny fifidianana, ankoatra ireo tranga samihafa toy ny fanerena ny mpampianatra hanohana kandidam-(panjakana).
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap