airtel

Politique

16-janv-2025

Niditra an-tsehatra ny Minisitry ny fiarovana

« Tsy ekenay ny fiantsoana fikomiana sy fanakorontanana »

Sample post image

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

16-janv-2025

mivantana nataon’ny manamboninahitra Kolonely Charles Andrianasoavina izay mialokaloka ara-politika any ivelan’i Madagasikara na ny notaterin’ny fampahalalam-baovao an’habaka vahiny Africa Intelligence sy ny maro hafa,... Nolazain’io fampahalalam-baovao vahiny io mihitsy, fa nivoaka ny baiko, miverina an-dakazerina daholo ny miaramila rehetra araky ny baiko navoakan'ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika an-tanety. « Noraisina io fanampahan-kevitra io noho ny ahiahin'ingahy Rajoelina. Matahotra ny hirehetan'ny fahatezeram-bahoaka izy satria tsy voafehiny ny fiakaran'ny vidin-tsolika, eo ihany koa ny fiakaram-bidin'ny PPN », hoy ny ambangovangony. Niparitaka ihany koa ny filazana fa nafindra any amin’ny zandary ny « armes lourds » na fitaovam-piadiana mavesatra an’ny tafika. Ahiana ny hiverenan’ny sary tamin’ny 2009 tao amin’ny CAPSAT (Corps d'administration des personnels et services de l'armée de terre) ? Tsy azo hamaivanina na marina na diso ao anatin’izao toe-draharaha mangotraka izao ! Nampiantso ny mpanao gazety sasantsasany kosa ny Minisiteran’ny Fiarovana omaly, nitondra fandisoana hentitra. Mikasika ny lahatsoratry ny Africa Intellingence, hoe « Consigné ferme » any an-dakazerina ny tafika. Tsy misy mieritreritra fikomiana izany eo anivon'ny foloalindahy malagasy. Ny andron'ny manamboninahitra 12 Janoary no nandraisana fepetra manokana nanao izany ho fiarovana ny andron'ny manamboninahitra, sy ny fankalazana izany. Milamina ny eo anivon'ny foloalindahy, hoy io Minisitra io. Manoloana ny fanambaran’ny Kolonely Charles Andrianasoavina, «miendrika fanakorontanana sy fampisavorovoroana saim-bahoaka ary firaisana tsikombakomba amin’ny fiantsoana fikomiana ary faniratsirana ny filohan’ny repoblika,izay lehibe faratampon’ny Foloalindahy sy ny Foloalindahy, ireo voalazany ireo ka tsy ekena ary tsy maintsy handraisana fepetra hentitra, satria manohintohina ny filaminam-bahoaka ary mifanapaka amin’ny lalàna misy eto Madagasikara » : hoy ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy. Sokajianay ho firaisana tsikombakomba amin’ny fanakorontanana ny Firenena, fampisaraham-bazana ny samy mpitandro filaminana, faniratsirana sy fampisaraham-bazana ny tafika, faniratsirana ny filoha sy ny foloalindahy iray manontolo, hoy hatrany io Minisitra io.
HITORY, MAMPITANDRINA,…
Ny filazana fa misy fitaovam-piadiana mavesatra entina hamonoana ny Malagasy, dia nambarany fa hiaro ny vahoaka sy ny fananany, hiaro ny andrim-panjakana mijoro fa tsy entina hamonoana vahoaka. Nilaza hanara-maso ny Minisitera amin’ny resaka famindrana fitaovana, ary naneho fa tsy mieritreritra hanakalo fitaovana na hamindra fitaovana any amin’ny rahalahy mpitandro filaminana izay mila fanapahan-kevitra isan’ambaratongany, indrindra fa avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Mampitandrina ihany koa ho an’ireo rehetra izay mbola manam-pikasana hanao fanehoan-kevitra mitondra fanakorontanana, hoy ny Minisitry ny fiarovana. Nilaza fa hitory an’i Kolonely Charles Andrianasoavina noho izany ny Minisitera, ka hiroso amin’ny fifampiresahana diplaomatika, handaminana ny fepetra horaisina. Re etsy andaniny, fa efa mizaka ny zom-pirenena Frantsay io Kolonely isan’ny nanamarika ny 2009 sy nanao ampamoaka maro samihafa momba iny raharaha iny sy ny Fanjakana tetezamita io. Miha mafana ny toe-draharaha !
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap