airtel

Politique

31-mai-2024

Nifidy ny vahoaka, niteny ny vahoaka

Nosazian’Antananarivo Rajoelina sy ny ekipany

Sample post image

Tsy tahaka ny tamin’ny 5 taona lasa , fa sempotsempotra vao nahazo vato hahatafidirana eny Tsimbazaza

31-mai-2024

ireo kandidan’ny antokon’ny fitondrana raha ny teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina no resahana. Hita efa tena niezaka mafy tany anaty dokam-barotra fitetezana haino aman-jery, fanaovana porte à porte, fizarana sy fanolotolorana zavatra etsy sy eroa, anefa ry zareo IRMAR saingy sahirana ihany raha ny fahitana azy. Tsy hoe tsy nahazo vato fa hita hoe niova ny fitrangan-javatra, niova na nivoatra izany ny fomba fijerin’ny mpifidy.
NIHA NAHANTRA
Azo raisina ho fanasazian’ny vahoakan’Antananarivo ny fitondrana Rajoelina iny fifidianana solombavambahoaka natao ny alarobia lasa teo iny. Zavatra tsy dia mahagaga firy satria maro ny olona tena mahara-baovao sy manaraka tsara ny raharaha politika, raharaham-pirenena eto an-drenivohitra noho ny fahamaroan’ny loharanom-baovao ; haino aman-jery sy ny tambazotra sosialy toa ny facebook. Mahita tsara izay monina na mivezivezy miasa eto Antananarivo fa tena maloto ny tanàna, mikorontana be, mitombo isa ny mpatory an-dalana, mitombo isa ny mpangataka sy ny olona mirenireny eny an-dalambe eny. Efa tsy resahana intsony ny tsy fandriampahalemana fa na mandeha vao maraina na mody amin’ny hariva dia fitaintainan-dava. Mora ny mandrefy ny fahasahiranana eto Antananarivo, ary tena mahatsapa ny olona , ny isan-tokantrano fa niha sahirana. Nitombo hatrany amin’ny 50% ny vidim-piainana taorian’ny valan’aretina Covid 19 ny taona 2020 no mankaty. Tsy arakarak’izay anefa ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano. Etsy ankilan’izay niraradraraka ny fampanantenana, fanomezan-toky avy amin’ireo mpitondra fanjakana fa hoe hanao an’izatsy sy izaroa. Inona akory ny teo fa vao miha niha sahirana ny olona. Any anaty fifidianana no mampiseho ny tsy fahafaliany sy ny fitakiany fanovana ny olona. Maridrefy sy fambara tsy tokony hamaivanin’ny fitondram-panjakana izany satria rehefa io sosialy io no marary, dia mikatso ny zava-drehetra ary mety hivadika raharaham-pirenena hanahirana izay eo amin’ny fitondrana mihitsy aza izany.
RTT
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

tsara ny lasitra aloha

Card image cap
09-janv-2026

aloha milaza fa valifaty politika izao»

Card image cap
09-janv-2026

tsy hanaiky ny gaboraraka intsony

Card image cap
09-janv-2026

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

Card image cap