Nilaza fa manana tetikasa herinaratra… Fa rehefa nisy ny raharaha, dia nofoanako avy hatrany ny fanendrena azy ho « Conseillé Bénévole”, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly Ravalomanana Richard omaly. Nolazaina fa mpanolo-tsaina tsy mandray karama io teratany Indianina io, saingy hafahafa ihany hoe : amin’ny fomba ahoana no hanendrena ara-panjakana teratany vahiny ? Naneho fa tsy miray petsapetsa amin'ny mpanao ratsy ity filohana andrim-panjakana ity, nilaza fa tsy teto Madagasikara ny tenany nandritra ity raharaha boeing 777 ity fa namita iraka tany ivelany, ary ny fanendrena an’i Singh Khushiwinder dia tsy misy ifandraisany amin’io raharaha io. « Ny alatsinainy teo, vao naheno ny maha voarohirohy an’i Singh Khushiwinder iny aho dia nandray fepetra nanala azy (abrogation) tsy ho "conseillé bénévole " ato amiko », hoy izy. Nolazaina fa tsy mbola nanatrika fivorian'ny mpikambana amin'ny Kabinetra mihitsy izy io, izay nambara tsy mahay afa-tsy teny Indianina sy teny anglisy. «Tsy « conseillé spécial » izany ! Tsy nahalala an’iny aho teo aloha, fa izy no nanelanelana anay tamin’ny dia tany Londres noho ny fanasan’ny Chambres de Londres mitovy lenta amin’ny Antenimierandoholona aty. Olona akaiky be an’i Dokotera Raj Loomba », Doyen any chambres de Lord, to teny be any », hoy ny fanazavan’ity Filohana andrim-panjakana ity. Nolazainy fa samy avy any Inde i Dr Raj Loomba sy Singh Khushwinder ka nanamora ny fampifandraisana tamin'ny mpandraharaha, tamin'ny alalan'ny diplomasia parlemantera, ho fandraisan'ny Antenimierandoholona malagasy anjara amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara sy ho fikatsahana izay hampiadanana ny vahoaka malagasy. « Tsy miray petsapetsa amin'ny mpanao ratsy aho ", hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay nilaza fa manam-bola, ka tsy hitady vola amin’izany. Andaniny anefa, nisy mamoaka avy hatrany ny sary maneho ny Filohan’ny Antenimierandoholona Richard Ravalomanana sy i Singh Khushiwinder, niaraka tany New Delhi Inde, tamin’ny 8 desambra 2019, nandritra ny hetsika Global Business summit& Awards 2019. Ny dia tany Londres nolazainy ffa noelanelanin’i Singh Khushiwinder sy nahalalany ity farany kosa tamin’ny novambra 2024. Milaza ny tenany fa tsy nahalala an’ity Indianina ity kanefa tamin’ny 6 taona lasa no efa nisy fiarahana teo amin’ny roa tonta. Handiso ny sary misy mamoaka ve ny Jeneraly Ravalomanana ? Moa tsy vao mainka mampitombo ny ahiahy ve izao? Mbola azo inoana ve ny resaka ataon’ny mpitondra ? Inona no mety ho fanazavana ?
Toky R