airtel

Politique

31-juil-2026

Nisy savorovoro

ny fikaonandohan’ny tanora

Sample post image

Faritra 11 nisafidy Fanjakana tokana,

31-juil-2026

10 federaly, 2 Fanjakana isam-paritra

Niteraka savorovoro ny tsy fahazahoan'ny solontena sasany avy any amin'ny faritra anjara fitenenana. Niverina nilamina ihany rehefa nampanarahina ny tao anaty Termes des Références (TDR) izay milaza fa misy solontena 02 avy isam-paritra afaka maneho hevitra. « Fanjakana tokana sa Fanjakana Federaly : iza no rafitra mety kokoa ho an’i Madagasikara ? » Io no lohahevitra niteraka adihevitra mafana indrindra nandritra ny Fikaonandoham-pirenena ho an'ny Tanora teny amin'ny CCI Ivato. Tamin'ny faran'ny adihevitra, nahazo vato betsaka kokoa ny “Fanjakana tokana”, notohanan'ny faritra 11, raha faritra 10 kosa no nisafidy ny “Fanjakana federaly”. Faritra roa no nanohana ny “Fanjakana isam-paritra”. Nisafidy tsy haneho hevitra ny solontenan’ny faritra Atsinanana. Any amin’ny fikaonan-doha nasionaly izany ny tohiny ? Zava-dehibe ny fiaraha-mikatroka handinihana ny fomba entina hitantanana ny Firenena tahaka izao, saingy betsaka ihany koa ny tsikera mikasika ny fomba nikarakarana azy ity hoe : tena nahasolo tena ny tanora sy mahafaobe hoe : ny feon’ny tanora ve no nivoitra tao anatin’izy ity. "Antso an-telefaonina no nanasana anay tao anatin'ny antoko lehibe indrindra eto Madagasikara, ary ho an'ny Tanora TIM dia solon-tena iray monja no nasaina handray anjara , izany hoe ny tenako irery no misolo tena ny rafitra tanora lehibe indrindra sy manana fototra voalamina manerana ny Nosy », hoy i Toavina Ratsimandresy avy amin’ny TIM. Mampametra-panontaniana izany hoe : raha misy fanapahan-kevitra horaisina na fehin-kevitra hivoaka avy amin'ity fikaonandoha ity, azo lazaina marina ve fa voasolotena ara-drariny ny Tanora malagasy? Ny fomba fandaminana ity fihaonana ity dia miteraka fanontaniana maro momba ny tena fisian'ny fandraisan'anjaran'ny rehetra sy ny tena maha-solontena ny mpandray anjara», hoy ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’io tanora iray io. Nilaza ihany koa ny sasany tamin’ireo GEN Z izay nilaza fa tsy nahomby ny fikaonandohan’ny tanora , ary tokony hakana lesona. Maro tamin'izy ireo mantsy no tsy hita teny amin'ny fokontany akory fa teny vao nifankahita ka tsy mahalala izay nivoriana akory, hoy ny fanamarihana. Nisy ihany koa ny nanamarika toy ny mpitarika tanora skoto iray any amin’ny faritra Vakinankaratra fa toa lasa fikaonadohana tanoran’antoko no itany. Endriky ny tsy fahamatorana sa izay ilay hoe : ny manao zavatra tsy mora ka eny eny an-dalana manarina ny tsy mety ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-juil-2026

sahady no voatendry

Card image cap
30-juil-2026

ho filoha lefitra i Hasina Raveloson

Card image cap
30-juil-2026

amin'ny vehivavy ny CNFM

Card image cap
30-juil-2026

ambadika ny fanakorontanana

Card image cap