airtel

Politique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa ao Avaradrano

Lasa nanohana an’i Gerry A. ireo vehivavy TIM…

Sample post image

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

25-avril-2024

Firaisankina ao amin’ny Distrika Avaradrano ireo vehivavy TIM avy amin’io antoko io, araka ny fanambarana izay nataon’izy ireo teny Alasora androany omaly aprily 2024. Ny depiote am-perinasa Gerry Andriambolaina no ho tohanan’izy ireo hiverina amin’ny toerana maha solombavambahaoaka azy, raha ny nambaran’ireto farany. Efa nadritra ny 10 taona no naha solombavambadoaka an’i Gerry Randiambolaina raha ny fanambarana hatrany ary izy no nitolona hoan’ny vahaoaka sy ny firenena taorian’ireny zava-nitranga teto tamin’ny 2009, rah any filazan’ireto vehivavy TIM nanao fanambarana ireto hatrany. Mbola izy ihany koa no nisolo tena ny tiako I Madagasikara hoan’ny distrikan’Avaradrano nandritra ny tolona fotsy izay natao ho fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana tamin’ny 2023, hoy hatrany ny fanamarihana sy fampahatsiahivana. Maro be ireo asa vitany tao amin’izany distrika nahalany azy izany, ary isan’ny nahazo tombony ny vehivavy, raha ny filazan’izy ireo. Noho izany dia niombom-peo ho fanohanana azy ireo vahivavy mpikambana ao amin’ny tiako I madagasikara Avaradrano fa io ihany no ho tohanana. Niara-nanao fanambarana tamin’izy ireo omaly moa ireo mpitarika fikambanana maro avy ao amin’ity distrika ity. Raha hiverenana etsy andaniny, dia efa nanolo ireo mpitarika ny DISTIM Avaradrano io antoko io, ka ny kandida natolotry ny Firaisankina no lasa mitarika izany. Misy ihany koa ny fanambarana nataon’ny Foibe TIM fa ny kandida atolotry ny vovonana Firaisankina ihany no tohanan’ny antoko. Hatao ahoana izany ireto vehivavy TIM nanambara ampahibemaso ny fanohanany ny depiote TIM am-perinasa izay nisafidy handeha amin’ny tsy miankina ireto? Ny mpikatroka manontolo ireo sa nizara roa ireo mpikatroka? Tranga mpiseho amin’ny politika raha ny hita tamin’ny fifidianana tato ho ato ny tahaka izao fa dia any anaty latsa-bato izany no ahitana izay tena manana mpanohana sy vahoaka ao an-damosiny, raha fifidianana tena madio.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap